Fifidianana Papa : Hiandry setroka fotsy ao Vatican izao tontolo izao

Hotanterahina anio, ao amin’ny lasapelina Sixtine, ny “Conclave”, fifidianana ny handimby ny papa François eo amin’ny fitantanana ny fiangonana katolika Roma­nina. Hitodika any Vatican ny mason’izao tontolo izao. Voa­fidy avy hatrany ny papa ny dikany rehefa miakatra ny setroka fotsy avy ao amin’ny Sixtine. Hisahana andraikitra lehibe hanonona ny anaran’ny ho papa ny kardinaly Mam­berti ary hanonona ny fehezan-teny hoe “Habemus Papam” eo amin’ny lavarangan’ny Ba­zilikan’i Md Piera. Tsy mbola voafidy kosa anefa izay handimby ny papa François izay raha mbola mainty ny setroka mivoaka.
Amin’ny ankapobeny, tsy nihoatra ny efatra andro ny “Conclave” nataon’ireo kardinaly tamin’ny fifidianana ny papa hatramin’ny taonjato faha-20 no ho mankaty. Na izany aza, tombanana ho roa hatramin’ny efatra andro ny “Conclave” amin’ity indray mandeha ity raha 48 ora ihany izany tamin’ny nifidianana ny papa François ary nihodina indimy ny fifidianana. “Manan­tena isika fa efa hahazo papa vaovao mialoha ny alahady
11 mey izao”, hoy ny mpanao gazety sady manampahai­zana manokana ao Vatican, i Bernard Lecomte.

Ankoatra izany, miisa 18 ireo kardinaly afrikanina hia­trika ny “Conclave” ka anisan’ izany ny kardinaly Tsaraha­zana Desiré. Miisa 133 kosa ireo kardinaly rehetra.
Tsiahivina fa efa nohavaozina avokoa ireo fitaovana sy ny efitrano Sixtine hanatanterahana ny fifidianana. Efa nametraka tahaka ny maha­zatra ny fantsona hitondra sy hamoaka ny setroka ireo mpamonjy voina ao Vatican.

Synèse R.

Partager sur: