Filohan’ny Antenimierampirenena: « Hamafisina ny ezaka efa natao »

“Momba ny fiainana andavanandron’ny mponina, mbola mampirisika hatrany ny governemanta sy ny tomponandraikitra samihafa hanamafy sy hanatsara ny ezaka efa ataonareo amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny Antenimierampirenena”.
Io no anisan’ny namba­ran’ny filohan’ny Antenimie­ram­pirenena, i Tokely Justin, tamin’ny kabary fanombohana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimiera teny Tsimbazaza, omaly. Mampita­raina vahoaka ny tsy fandriampahalemana. Ny fahatapahan-jiro amin’ny toerana sasantsasany. Mankahery hatrany sy manohana ny filohan’ny Repoblika ny depiote amin’ny fanatanterahana ireo vina napetrany, indrindra ny fahavitan-tena ara-tsakafo, izay tena mahaliana sy andrasan’ny vahoaka malagasy.
Fankaherezana no atao amin’ny mpitondra: aza kivy fa izay mandeha ihany no vakivaky tongotra. Tohizo ny asa fampandrosoana. “Mirary soa mandrakariva ho an’ny vahoaka izy: aoka hosivanina tsara sy hohalalinina ambony sy ambany ireny hevitra politika misakana antsika tsy hiroso ireny”, hoy izy. Iaraha-mahita ny zava-misy amin’izao fotoana izao momba ny fepetran’ny fanjakana amerikanina eo amin’ny fifanakalozam-barotra. Eo ny fanapahana ny famatsiam-bola amin’ireo tetikasa mahazatra. Eo koa ireo adin’ny samy firenena… Misy fiantraikany amin’ny fiainan’izao tontolo izao sy eto izany. Tokony hasiana fandinihana tsara sy handraisana fepetra eto amin’ny firenena mba hampihena ny fiantraikan’izany amin’ny fiainam-bahoaka.

R. Nd.

Partager sur: