Nosokafana teny amin’ny toby misahana ny fibaikoana ireo vondron-kery manokana (CFS) Ivato, ny 5 mey 2025, ny fiofanana momba ny fiarovana olona manan-kaja niarahan’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena. Nanokatra izany ny tale misahana ny fiofanana mitohy sy fikarohana eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminambahaka (DRFC), ny controleur général de police, Rasoamananjara Pierette Marie Françoise. Teo koa ny lefitra faharoa, ny lehiben’ny CFS, ny Kly Adolphe Tovolahy, ny lehiben’ny vondrona manokana GSIS, ny Lietnà Kly Randrianirina Rivo, ary ny solontenan’ny fiaraha-miasa ara-piarovana amin’ny minisiteran’ny Atitany frantsay, ny Lietnà Kly Pascal Kleck. Natao izao fiofanana izao mba hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny traikefan’ireo mpitandro filaminana malagasy. Eo koa ny fanomanana ny fandraisana ny fivoriamben’ny Sadc ny volana aogositra ho avy izao. Fiaraha-miasa eo amin’ny masoivoho frantsay sy
ny mpitandro filaminana malagay no nahafahana nanao izao hetsika izao, araka ny fanazavana. « Zava-dehibe ny fiofanana toy izao satria olom-panjakana maro no ho avy eto amintsika amin’io fivoriamben’ny Sadc io. Ilaina, araka izany, ny fanamafisana ny fitandroana ny filaminana », hoy ny talen’ ny DRFC. Mpiofana 20 no mandray anjara amin’izao fampiofanana izao: 10 avy amin’ny polisim-pirenena, raha 10 avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Ireo mpiofana indray no hampita izany fahalalana izany amin’ireo mpiara-miasa aminy any amin’ny toby misy azy ireo.
Jean Claude