“Io ary nen’lah” : Hoentin’i Ken an-tsehatra ny rakikirany voalohany

Masaka ny nahandro: “Io ary nen’lah”, hatolotr’i Ken ho an’ireo niandry izany. Rakikira voalohany izy ity, izay nampahafantarina voalohany ihany koa omaly, tetsy Ankoron­drano. “Efa ela no niketrehanay azy ity. Efa ireny napetrako ireny ny maha Ken izay tsy miova mihitsy. Rock foana koa no lalaovina, saingy mampivady gadona izahay satria mozika no lalaovina. Ato anatin’ity rakikira ity no tena hahenoantsika azy”, hoy ny nambaran’i Ken.
Hampahafantarina an-tsehatra voalohany ny rakikira ny 30 mey izao, etsy amin’ny La scène Ivandry. “Hizara roa io fotoana io, ka ny tapany voalohany hanaovana ireo hira anatin’ny rakikira. Ny faharoa kosa, hamerenana ireo hira nitaiza sy ankafizin’ny tarika”, hoy hatrany ny fanazavana avy amin’izy 5 mirahalahy, mandrafitra ny tarika Ken.
Efa misy daty am-polony maro no raikitra, satria sady fanombohan’ny fitetezam-paritra ihany koa io seho voalohany eto Antananarivo io. Akaiky indrindra ny 6 jona, any Moramanga, sy ny 8 jona, any Manambato. Hanaraka avy eo ny any Ampefy, Toamasina, Foulpointe, Ambatondrazaka, Antsirabe, Fianarantsoa, Toliara, sns.
Vao nanomboka niroso lalindalina tamin’ny mozika, ny taona 2000 tany, i Ken dia efa nametraka ny maha izy azy, teo amin’ny feo, fitendry ary fisehatra. Nanomboka tamin’ny tarika Cancer izy, fa fantatry ny maro kokoa tao amin’ny tarika Mage 4 sy Hyphen. Hanoritra sy hanohy ny lalany i Ken, ka nanapa-kevitra ny hanangana tarika mitondra ny anarany. Amam-bolana maro no niara-niketrika izy 5 mirahalahy, ka izao nivoaka izao ny vokatra. “Io ary nen’lah”.

Zo ny Aina

Partager sur: