Anisan’ny nasongadin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, ny ezaka nataon’ny mpitandro filaminana. Notebahiny koa anefa ireo nitsikera na nanakantsakana ary nikasa hanakorontana.
Narahabainy tamin’izany ny fitondram-panjakana tamin’ny nahatontosa ny fihaonana an-tampon’ny COI. Tanteraka izany na teo aza ny sakantsakana sy ny fiketrehana korontana, araka ny nambarany. “Tsy nahomby anefa izany”, hoy izy tamin’ny lahateny fanokafana ny fivoriana ara-potoana voalohany ho an’ity Andrimpanjakana ity, omaly, tetsy Anosy. Nisaorany koa ny eo anivon’ny OMC-Emmo noho ny fahaiza-manaony. Nosinganiny manokana ny eo anivon’ny zandary ary nankasitrahany, na eo aza ny fanaratsiana sy fankahalana azy ireo, na fandrahonana koa aza. Tahaka izany koa ny eo anivon’ny polisy tamin’ny andraikitra noraisiny manoloana ny asan-jiolahy sy fanaovana sorona ny ainy. Namintinany izany ny filazany fa ho an’ny tanindrazana ireo mpitandro filaminana. “Tsy nahomby ny fampirafesana anareo rehetra fa nijoro ianareo ary nahavita adidy ho an’ny tanindrazana. Hita tokoa fa manana firaisankina ianareo”, hoy izy.
Nisaorany koa ny vahoaka noho ny fahendreny sy ny fahamatorany. Milamina ny tany sy ny fanjakana ka tontosa ny fivorian’ny COI. Toy izany koa ireo sendika naneho hetsika am-pilaminana fa tsy niresaka politika. “Ankinina amin’ny fahefana mpanatanteraka ny fitakianareo ho fanatsarana ny tontolon’ny asa”, hoy izy.
Etsy andaniny, voatsiahy tamin’izany ireo fametrahana samboadin’ireo ben’ny Tanàna nataon’ireo loholona, amin’ny maha mpiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana azy ireo. Teo koa ny nanatrehan’ny filohan’ity Andrimpanjakana ity ireo fivoriana sy fihaonana tany ivelany, nisoloany tena ny filohan’ny Repoblika. Teo koa ny fivorian’ ireo samy parlemantera na loholona eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Synèse R.