Nahazo 84 tapitrisa Ar : Mpisoloky roa vavy voasambotra

Tra-tehaka teo Tsaralalàna, ny 3 mey teo, ireo roa vavy mpisoloky efa naharaisan’ny kaomisaria CSP1 fitoriana telo, tao anatin’ny iray volana. Nahazo vola maherin’ny 80 tapitrisa izy ireo. Nandritra ny volana avrily lasa teo, naharay fitoriana avy tamina tompona orinasa momba ireo mpisoloky roa vavy ireo ny polisy. Avo lenta ny fomba nanatanterahin’izy mirahavavy ireo ny teti-dratsiny. Mody manatona tsenambarotra lehibe iray izy ireo. Mifandray mivantana amin’ny tomponandraikitra sady mandresy lahatra. Mitonon-tena ho mpivarotra matihanina, nilaza fa mahita mpividy entana koa, izy mirahavavy. Hitondrany taratasy hosoka toy ny mombamomba ny hetra ireto farany. Voafandrika ny tompon-tsena ka omen’ireo mpisoloky taratasy tsisy anto-bola. Manomboka tsy tratra antso intsony izy roa vavy. Miova laharana hafa indray, ary nanohy ny fanaony. Nitombo isa tao anatin’ny iray volana monja ny fitoriana voarain’ny kaomisaria voalohany momba ireo mpisoloky ireo. Natao ny fikarohana ka sarona teny Tsaralalàna izy roa vavy. Nentina natao famotorana eo anivon’ny mpitandro filaminana ka natolotra ny fampanoavana. Notanana vonjimaika any am-ponja miandry ny fitsarana azy.

Tsiferana R.

Partager sur: