Pôle Stage Madagascar : Mpianatra maro misitraka fiofanana

Amin’ity volana mey ity, mpianatra miisa 150 avy amin’ ireo sekoly ambony maromaro, hofanina amin’ny alalan’ny Pôle Stage Madagascar. Hatao amin’izany ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpianatra mialoha ny hidirany eo amin’ny sehatry ny asa mati­hanina. Homena traikefa ny tanora amin’ny alalan’ny fanamorana ny fisitrahana mizatra asa. Efa nisy sahady ny fampivondronana tsy ankiato mandritra ny 4 andro, etsy amin’ny efitrano malalaky ny Plan Anosy, ka ny alatsinainy 5 mey maraina no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy.
Mizara ny traikefa ho azy ireo ny mpiara-miombon’an­toka manana ny maha izy azy, toy ny MTEFoP, ny Bianco, ny ACPE, ny Mic, ny Fihariana ary ny DHL. ” Tsara raha miditra eo amin’ny tontolon’ny asa dieny mbola any am-piana­rana ny ankizy satria tsy ampy ny tolotrasa », hoy ny filohan’ ny Syndikan’ny indostria eto Madagasikara, Rasamima­nana Tiana. Hozaraina mari-pankasitrahana ireo mpiofana rehefa nahavita fiofanana.
Tena manahirana ny fitadiavana orinasa ahafahana manao fizarana asa amin’izao fotoana. Mitaky fahamatorana, finiavana, fahavitrihana ary hakingana amin’ny mpianatra ny orinasa. Rehafa hita taratra amin’ny mpianatra ireo dia mora kokoa ny handraisan’ny orinasa azy hianatra asa ao aminy satria sady afaka ha­nampy ny mpiara-miasa no manovo fahalalana izy ireo.

Tatiana A

Partager sur: