Oniversite miankina amin’ny fanjakana niorina ny taona 2013, ao Antsirabe, ny oniversiten’i Vakinankaratra. Mampiranty ny voka-pikarohana eto Antananarivo ireo mpianatra.
Zana-tsehatra iray ao anatin’ny Sekoly ambony politeknika (anatin’ny oniversite) ny Automatisme informatique izay mahasarika mpianatra maro satria miroborobo ny indostria ao an-toerana.
“Mampiranty ny vokatry ny asam-pikarohana nataony ireo mpianatra L3 hatramin’ny M2 ao amin’ny sampana roa (automatisme électronique et informatique industrielle sy ny génie logiciel) anatin’ny sampana Automatisme informatique eo anivon’ny sekoly ambony politeknika ao Antsirabe- Oniversiten’i Vakinankaratra”, hoy ny mpampianatra eo anivon’ny mention, Ranaivosoa Rija Mamitiana Olivier, omaly, teny Antaninarenina.
Hetsika fanaon’ny tomponandraikitry ny Automatisme informatique ny fampirantiana tahaka izao, izay efa eo amin’ ny andiany fahadimy amin’ity taona ity. Eto Antananarivo, eny Antaninarenina, no hanaovana izany fampahafantarana ny lalam-piofanana ao aminy izany. Mandray anjara avokoa ny sampam-piofanana roa ary misongadina ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA). Mifototra amin’ny fikirakirana ara-kajy mirindra sy ny informatique ny génie logiciel raha mampisongadina ny fampiharana ny « automatisme » amin’ny ankapobeny ny automatisme életronique et informatique industrielle.
22 ny tetikasa aranty ka nanasana ny tomponandraikitra teknika amin’ny orinasa am-polony eto Antananarivo, araka ny fanazavan’ny mpampianatra Ralaiarijaona Richard. Ireo orinasa misehatra amin’ ny Développement d’application sy ny indostria no liana amin’ny fampirantian’ny voka-pikarohana ka nitsidika omaly.
Mamolavola tanora hamorona asa ho azy sy hampiroborobo ny orinasa efa misy no tanjon’ny lalam-piofanana ka tsy vitsy ireo mpianatra efa manana ny orinasany manokana na koa mitana andraikitra eny amin’ny orinasa lehibe eto amintsika. Andiany iray ho an’ny génie logiciel ary dimy kosa ho an’ny automatisme AEII no nivoaka avy ao.
Vonjy