Rotorotom-piainana : Tsy ampy fialamboly ny vahoaka malagasy

Anisan’ny olana iray mbola sedrain’ny vahoaka malagasy ny tsy fahafahany miala voly. Tena ilaina amin’ny fiainana anefa iza­ny. Matetika olana ny hoenti-manana. Betsaka anefa ny toerana azo hitsangantsanganana, sady tsara no mora.

Fomba amam-panao tsy mahazatra ny Malagasy ny manokana fotoana hialana voly. Mionona amin’ny andro fety vao mba manao izay mahafinaritra. Betsaka anefa ny azo atao mba hiadiana amin’ny rotorotom-piainana. Na izany aza, mihamaro amin’izao fotoana izao ny teratany malagasy, miezaka mandraharaha amin’izay fanomezana fialamboly ho an’ny mpiray tanindrazana izay. Toerana iray nanaovana fanadihadiana ny teny amin’ny Akany Nomenjanahary, eny Ambohimanga Rova. Mpam­pianatra mpikaroka eny amin’ny politeknika Vontovorona no nahita ny hevitra. Nampivady ny mahasoa amin’ny mahafinaritra ny dokotera Rako­to­niaina Solofo Hery.
Andaniny, maro ny hetsika azo atao eny an-toerana, toy ny fanatanjahantena sy ny seho an-tsehatra izay hananany toerana voatokana amin’izany. Ankilany, mampahalala sy mampiroborobo ny fampiasana ny angovo azo havaozina eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny tompony. Ani­san’ny mahaliana ny Mala­gasy amin’izao fotoana izao ny filalaovana baolina sy basikety. Manginy fotsiny ny tsipy kanetibe sy ny fanaovana dia an-tongotra, ary ny filomanosana. Hita eny amin’ny Akany avokoa izany. “Tanjona ny mba hahafahan’ny Malagasy miala voly amin’ny toerana iray, ivelan’ny renivohitra. Sady manao fanatanjahantena izy ireo no mahazo rivotra madio. Afaka ny manala ny sorisorim-piainana no mitaiza vatana sy mikolokolo fahasalamana”, hoy ny tomponandraikitra.
Marihina fa efa ho am-polony taona no nisy ny ivontoerana fialamboly, Akany Nomenjanahary, eny Ambo­himanga. Raha mahazatra ny trano filanonana malalaka dia misy ny mpandraharaha miezaka ny manome tolotra hafa ambony ampanga tahaka izao. Manomboka amin’ny 3 000 Ar isan’olona ny hofan-toerana ao amin’izy ireny. Afaka ny manofa izany manokana ihany koa ny fikambanana na fiangonana, na fianakaviana arakaraka ny filana.

Wifi …delestazy
Ankoatra ny fialamboly, anisan’ny tena mahasarika ny mpampiasa ny toerana ny fisian’ny “wifi” na ny “internet” na any ambanivohitra aza. Ankoatra izay, ny tsy fahatapahan’ny jiro ho an’ny mpamahana ny baterian’ny telefaonina sy ny mpampiasa zavamaneno. “Ankoatra ny fanatanjahantena na ny fikarakaraka fampisehoana ato aminay. Anisan’ny mahasarika ny mpampiasa ny toerana ny fanaovana karaoke sy ny fihirahirana miaraka amin’ny zavamaneno”, hoy Rakoto­niaina Solofo hery, tompon’ny Akany Nomenjanahary.
Raha ho an’ity toerana nanaovana fanadihadiana ity, tombony ny tsy fisian’ny fahatapahan-jiro satria mampiasa angovo azo havaozina avy amin’ny masoandro izy ireo. Misy rahateo ny karazana fitaratra ahafahan’ny mpitsidika mamantatra misimisy kokoa izany.
Amin’izao fotoana izao, manitatra ny fampiasam-bolany ny tompony ka efa afaka mandray fivoriana na “team building” izy ireo. Efa misy ihany koa ny trano fatoriana ho an’ny mpianakavy.

Mahavelona
Fampiasam-bola mbola azo trandrahina tsara ny fanokafana toeram-pialamboly manokana tahaka ny Akany Nomenjanahary. Noho ny tolotra samihafa sy mamaly ny filan’ny mpanjifa, tsy tapaka ny fisian’ny olona mamandrika eny an-toerana. “Miezaka ny manome fahafaham-po ny olon-drehetra izahay. Endriky ny anjara biriky entinay amin’ny fanampiana ny mpiara-belona rahateo ny fanokafana toerana tahaka itony aty ambanivohitra. Mamorona asa izahay ary mitondra ny anjara biriky amin’ny fampivelarana ny maha olona”, hoy hatrany ny fanazavan’ny tomponandraikitra nanaovana fanadihadiana.
Misedra olana ihany anefa izy ireo amin’ny hafitsoky ny samy Malagasy mpandraharaha. Misy foana ny karazana fifaninanana diso toerana. “Betsaka no mangala-tahaka. Manimba ny tsenan’ny hafa. Izay foana no olana ho antsika. Tsy mahasakana ny fitondrana zava-baovao anefa izany. Hain’ny mpanjifa foana koa anefa ny tena tompon’ny ketrika sy ny hevitra”, hoy Rakotoniaina Solofo Hery namarana ny fanadihadiana natao teny an-toerana.

Nanatontosa : Randria

Partager sur: