Nanolotra boky ho an’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny AFT Andavamamba. Boky miisa 64, ahitana tantara foronina ho an’ny tanora ireo, ka anisan’ireny ny sanganasan’i Julien Rakotonaivo, “Echos et murmures du temps jadis”. Tafiditra anatin’ny fampitiavana ny vakiboky ho an’ny tanora, izay anisan’ny sehatrasan’ny AFT izao fanomezana boky izao.
Hanatontosa seho akostika ny Mage 4. Io ny vaovao vao mafana navoakan’ny tarika, omaly, taorian’ny fandraisan’izy ireo anjara tamin’ny “Festival Tsika Jiaby”. Hotontosaina ny sabotsy 31 mey izao izany, manomboka amin’ny 6 ora hariva eny amin’ny Arena Ivandry. Hibahana kokoa, araka izany, ireo hira amin’ny rindra akostika mandritra ity seho ity. Manana maro amin’ireny ny tarika Mage 4.
“Don-tany sy kapo-tandroka mampandroso”. Io ny lohahevitry ny velakevitra izay hotontosaina anio amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Hitarika izany Rakotoniaina Jean Gervais, mpikabary siantifika, mpanandratra ny soatoavina malagasy, mpanentana ary mpandrindra lanonana. Hanasana ireo rehetra liana amin’ny lohahevitra ny fotoana.
Hotanterahina any Bruxelles ilay hetsika lehibe tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny fiverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena malagasy. Ny fikambanan’ny mpikabary malagasy mivondrona ao amin’ny Benelux no hiantsoroka ny fanatontosana ilay « Soratononina » ny sabotsy 21 jona izao. Ho hita any an-toerana ihany koa ny tranoheva sy sakafo malagasy ary ny hira sy dihy hoenti-maneho ny isam-paritra.