Tafakatra 3 000Ar ny kilaon’ny ovy eny amin’ ny tsenan’Andravoahangy raha novidiana 2 000 Ar teo aloha. Mananosarotra ihany koa ny fahitana ny vokatra amin’izao fotoana. Nilaza ireo mpivarotra fa vanim-potoana tsy fisian’ny ovy amin’izao, eo ihany koa ny rotsakorana tampoka any amin’ireo faritra mpamokatra izany ka mahatonga ny fiakaram-bidy tampoka. Mitaraina amin’ny zava-misy ny isan-tokantrano, indrindra ireo mpivarotra hani-masaka
Miantraika eo amin’ny sehatry ny fitaterana ny fiakaran’ny vidin-tsolika eto Madagasikara. Manahy sahady amin’ny fiakaran’ny vidin’entana ireo mpitatitra sy mpandraharaha manoloana ny zava-misy. Lafo ny vidim-piainana eto amintsika ary tsy mahasahana ny fandaniana ny vola miditra isan-tokantrano. Mitotongana ny toekarena sy ny fari-piainan’ny Malagasy, mihen-danja ihany koa ny sandambolantsika.
Vita ny 73% ny fanamboaran-dalana mirefy 15 km mampifandray ny kaominina maro ao Anosivelona, distrikan’i Farafangana. Tanjona ny hanamorana ny famoaham-bokatra sy hanatsarana ny fifandraisana ary ho fanampiana ny fampiakarana ny fari-piainan’ny mponina. Tetikasa niarahan’ny UNOPS tamin’ny alalan’ny fandaharanasa Defis, vatsian’ny Fida vola. Nampiasana ny teknolojia “Geocell” ny asa natao ho vahaolana maharitra sy manaraka ny toetr’andro.