Aoka ho sahy  

 

Vita indray aloha iny ny « tabataba party » niarahan’ny mpikirakira tambajotran-tserasera niresaka politika. Samy naka aina, omaly. Samy nipetraka tamin’ny toerany avokoa ny mpifanasa vangy, indrindra ny tsy mitovy firehana mahakasika ilay raharaha kolonely nalazabe resaka iny. Samy nitazana ny fivoaran’ny zava-drehetra.
Miandry rahateo ny tohin’ilay fanambarana tamin’ny kaonty Facebook ny Filohan’ny Repoblika mahakasika ny fomba nahatafatsoaka olona anatin’ny toby izany. Efa mi­asa rahateo ny ekipa mpanohana azy, indrindra ny manampahaizana momba ny lalàna, mitondra ny fanazavana. Mi­fototra amin’ny lafiny teknika amin’izay ny ady hevitra ma­nomboka eto.
Eto indrindra no hitondrana tsindrim-peo lehibe, amin’ny fampiasana ilay tambajotran-tserasera. Zary sehatra ha­naovana fitsaram-bahoaka izany. Hataon’ny sasany fihan­tsiana sy fanalam-baraka fotsiny. Raha natokana hitondrana fampandrosoana ilay izy, mivadika ho fositra misintona miverina. Mainka manakorontana tanàna.
Mila fahaizana manokana amin’ny tomponandraikitra, ny fanjakana, ny fifehezana ity tambajotran-tserasera ity. Tsy maintsy mandray fepetra ny manam-pahefana fa zary mihoatra ny mety ny ataon’ny sasany. Ny ompa tsy lazaina intsony, manginy fotsiny ny fanivaivana olona sy ny rafitra. Ny an’ny hafa aza tena fitaovana hoentina mamaky ady ankitsirano.
Mitaky fahaizana mandanjalanja avy amin’ny minisitera tomponandraikitra koa anefa ny zava-drehetra. Tsy tokony hitazam-potsiny ny fanaovana ranty mibirioka diso tafahoatra na inona na inona filazana fa demokratika. Tsy midika ho gaboraraka ny fahafahana miteny sy ny zo haneho hevitra eny amin’ny tambajotran-tserasera.
Tsy tokony hohadinoina fa mitaky fahasahiana mijoro sy maka fanapahan-kevitra hentitra ny hodidina misy amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy mihenjana, raha ilaina aza ny jadona amin’ny sehatra tahaka itony, tsy misy ny maharatsy azy. Fiarahamonina milamina sy mifanaja no tanjona. Aoka ho sahy hanova sy hanasazy, raha ilaina!

r.r

Partager sur: