Anjaran’ny vondrona A indray izao no hifaninana amin’ny dingana voalohany, amin’ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A, taranja basikety, taorian’ny vondrona B tany Antsirabe. Ekipa 6 lahy sy 6 vavy no ao anatin’ity vondrona A ity, ka ao amin’ny Complexe sportif ao Mahajanga no hanatanterahina izany, ny 10 hatramin’ny 18 mey izao. Ho an’ny sokajy vehivavy, ny ekipan’ny GNBC Analamanga, MB2ALL Analamanga, Fandrefiala Analamanga, Dunamis Analamanga, ASSM Analamanga ary ny Cosca Amoron’i Mania no hifaninana. Eo amin’ny sokajy lehilahy kosa, hifandona amin’izany ny ekipan’ny GNBC Analamanga, BCB Boeny, MBC Atsinanana, RBC Boeny, BC Somava Sava ary ny NGB Itasy. Tsiahivina fa tsy misy mihintsana ireto ekipa 6 isan-tsokajy ireto fa hiatrika ny dingana faharoa daholo. Izay 4 voalohany kosa no hiatrika ny lalao manasa-dalana amin’ity dingana voalohany ity ary izay 2 voalohany no hiady ny amboaran’ny ligin’i Boeny.
Raha hiverenana ny fifaninanana natao tany Antsirabe, ho an’ny vondrona B, nandrombaka ny amboaran’ny ligin’i Vakinankaratra, ny ekipan’ny JEA Vakinankaratra teo amin’ny vehivavy ary ny COSPN kosa ny teo amin’ny sokajy lehilahy.
Mi.Raz