Nanomboka ny 5 mey hatramin’ny 17 mey 2025 ho avy izao, misy ny fandidiana maimaimpoana tontosain’ny HIS Foundation, fikambanana kristianina, sinoa, mpanao asa soa ao amin’ny CenHoSoa.
Miompana amin’ny fandidiana ireo ankizy sahirana manana fahasembanana eo amin’ny molotra na ativava ny iraka ataon’izy ireo. Eo koa ireo manana fahavoazana sy fahasembanana amin’ny tongotra sy tanana na misy takaitra noho ny fahamaizana. Miara-miasa akaiky ireo mpandidy avy amin’ity fikambanana ity sy ireo mpitsabo ao amin’ny Hopitaly Miaramila (CenHoSoa), tarihin’ny lehiben’ny sampana misahana ny fandidiana momba ny molotra, ny Kly Ramangason Jacques Adrien. Marihina fa miditra amin’ny andiany faha-11 ataon’ny fikambanana izay miara-miasa amin’ny hopitaly ny fanatanterahana izao iraka izao, raha ny fanazavana voaray. Ankizy miisa fito no efa niatrika fandidiana hatramin’ny fotoana nisokafan’izany omaly. Ankoatra ny fandraisan’ireo sinoa anjara amin’ny alalan’ireo mpandidy, misy koa ny fitaovana natolotry ny fikambanana kristianina misy azy ireo, mba hoentina manatanteraka izao iraka atao eto Madagasikara izao. Mijery akaiky ny fizotran’ ny fandidiana ny tale teknika eo anivon’ny hopitaly, ny mpitsabo Jly Randriantsara Iharijaoniaina Joe, amin’ny fahalavorarian’izao iraka izao. Nohamafisin’ity tomponandraikitra eo anivon’ny hopitaly ity fa tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny toromarika avy amin’ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, amin’ny fanarahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana miompana amin’ny maha olona izao hetsika izao.
Jean Claude