Sambany no hisy. Handray ny Festival voalohany ny distrikan’Amboasary Atsimo. Nampahafantarina omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Yas Madagacar, ny fisian’ny “Festival du Caméléon”, izay hatao any an-toerana, ny 13, 14 ary 15 jona ho avy izao. “Hetsika natao hanentana, hanabe, hiaro ny tontolo iainana, hanainga ny fizahantany ary hampahafantarina ireo endri-kolontsaina misy any an-toerana izy ity. Hiarahan’ny minisitera maro misalahy miaraka amin’ny kaomity mpikarakara izany”, hoy ny nambaran’ny avy ao amin’ny ONG Caméléon, mpikarakara.
Hasongadina ny tana na ny “caméléon”, izay anisan’ireo biby harovana eto Madagasikara. Tsy vitan’izay fa manana ny 42 isan-jaton’ny karazana misy maneran-tany i Madagasikara, ka ny karazany 98 tsy misy afa-tsy eto. Maro azy ny faritra Anosy sy Androy, ka antony iray nisafidianana an’Amboasary hanaovana ny hetsika, raha ny fazavana hatrany. Teraka taorian’ny fikaonadoham-paritra natao tany Frot Dauphin, ny taona 2021, ity hetsika ity, izay nahatsapana fa misy fahatarana eo amin’ny fandrosoana ny faritra Anosy sy Androy, ka mila itadiavana paikady. Nipoitra tamin’izany fa ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fampiroboroboana ny fizahantany ary ny fanomezan-kasina ny kolontsaina no fanoitra ho an’ny fampandrosoana.
Ankoatra ireo tranoheva fampahafantarana isan-karazany, hisy sehatra manokana ho an’ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy avy any amin’ny faritra. Eo koa ny fifaninanana hira sy dihy vakodrazana, ny fampahafantarana ny fomban-drazana, ny fifidianana Miss sy Mister ary mazava loatra, ny andiam-pampisehoana. Anisan’ny fantatra fa handray anjara ry Ceasar, Masabao, Matsubara, Black Nadia, sns.
Zo ny Aina