Nanomboka nahitana ny trangan’aretina gripa teto amin’ny Nosy, indrindra ny teto Antananarivo sy ny manodidina, ny volana febroary lasa teo. Antony mahatonga izany ny fiovaovan’ny toetr’andro, mafana sy mangatsiaka. Fotoana fifohazan’io tsimokaretina io ihany koa ny volana febroary, marsa, avrily ary ny vanim-potoana hiditra amin’ny ririnina tahaka izao. Tsy mbola lefy laza fa mbola mahazo ny ankamaroan’ny olona hatrany io aretina io hatramin’izao. Ny ankizy latsaky ny herintaona sy ny olona efa mahazo taona no tena voan’ny aretina,
amin’ny ankapobeny. Noho izy ireo marefo amin’ny hery fiarovana ao anatin’ny vatany. Mety hahazo ny olon-dehetra kosa anefa ny aretina raha tsy mitandrina.
Tsy mitsahatra miakatra ny tahan’ny olona tonga manatona toeram-pitsaboana, miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana noho io aretina io, raha ny fanadihadiana natao. Mitombo 2,5 % tamin’ny tranga hitan’ny mpitsabo teo aloha ny tranga misy hatramin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana voaray. Voan’io aretina io avokoa ny 85% ireo olona tonga manatona mpitsabo, raha ny tatitra voaray avy amin’ny mpitsabo iray etsy 67Ha nanaovana fanadihadiana. “Tafiditra ao anatin’ny karazana gripa mahery ny mahazo ny ankamaroan’ny olona ankehitriny”, hoy ny Dr Rakotonindrina Norbert, mpitsabo. Mora mifindra sy miparitaka haingana ny aretina gripa. Raha vao misy olona iray voa ao an-tokantrano, ifindrany daholo ny mpianakavy.
Mety hiafara amin’ny pnemonia ny gripa
Miseho amin’ny endriny maro ity gripa ity, amin’ny ankapobeny. Mafana hoditra, mangovitra, manakotsako vanin-taolana, reraka, marary an-doha, mavesatra hatoka, mikoha-maina, mitsiranoka ny ranon-delo, malain-komana ary vizana. Amin’ny alina no tena mamely ny aretina. Mikohoka sy manavy amin’ny alina. Mbola varimbariana ny ankamaroan’ny olona voan’ny aretina noho ny tsy fahampian’ny fahefa-mividy. Manomboka any amin’ny gripa, ary mety hitarika amin’ny aretin-tenda, fahasemporana ary ny pnemonia mihitsy ny aretina raha sanatria ka tsy voatsabo ara-dalàna sy ao anatin’ny fotoana haingana. Mety hivadika ho tsitongan-dronono eo amin’ny zaza ihany koa ny gripa raha sanatria tsy voatsabo ara-dalàna. Tsy maintsy alefa any amin’ny hopitaly ny olona rehefa mananosarotra ny aretina. Indrindra ho an’ny olona efa mahazo taona sy ny zazakely ary ireo olona voasokajy ho manana hery fiarovana marefo.
Atao matanjaka ny hery fiarovana
Azo avy amin’ny tsimokaretina ny gripa. “Tsy dia misy antibiotika mahafaty azy fa mila hamafisina ny hery fiarovana mba hisorohana ny aretina”, hoy hatrany ny mpitsabo. Na voan’ny aretina aza, rehefa matanjaka ny hery fiarovana dia mba maivana kokoa ny fisehony eo amin’ny vatana. Ho fisorohana izany, ilaina ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana, toy ny voankazo, ny fisotroana rano, tsy manao vizana ary manao ampy torimaso tsara. Manampy amin’ny fahatanjahan’ny hery fiarovana ny torimaso ka raha vao tsy ampy izany dia midina hoazy ny hery fiarovana ao amin’ny vatana. Ilaina ny mameno ny torimaso hahatratra adiny 7 na 8 ora eo ho eo. Ilaina ihany koa ny fakana aina ho an’ireo rera-dava sy miasa mafy.
Tsy misafidy ny hanao vaksiny ny Malagasy
Misy vaksiny ny gripa fa tsy mateza aman-taona eo amin’ny vatan’ny olona. Amam-bolana ny faharetany ary tsy maintsy havaozina indray izany. Lafo ny vaksiny ary toerana vitsy ihany no ahitana azy io eto Madagasikara. Tsy misafidy ny hanao vaksiny loatra ny Malagasy satria tsy maharaka ny vola eo an-tanana. Aleon’ny olona manatona mpitsabo rehefa voan’ny aretina toy izay hanao vaksiny. Tsy latsaky ny
50 000 Ariary ny vidin’ny fatran’ny vaksiny iray.
Ilaina ny fanaovana fiarovan-tena
Mora mifindra amin’ny alalan’ny piti-drora ny aretina gripa. Ilaina ny fitandremana eo amin’ny tsirairay mba hisorohana ny fiparitahan’ny aretina. Voalohany, entanina ny rehetra mba tsy handrehoka na handrora ankalamanjana. Rehefa mievona na mikohoka dia tokony hanampina vava sy orona. Mila atao manaraka ny fotoana ny fisakafoana (maraina, atoandro, hariva). Tsara kokoa ny mihinana sakafo vao avy notazana sy voajanahary satria mbola ao anatiny ao avokoa ny otrikaina entiny. Entanina hatrany ny tokony hanatonan’ny olona mpitsabo rehefa misy tsy salama ny vatana.
Nanatontosa : Mino