Enin-dahy mpangalatra taribin-jiro an’ny orinasa Jirama voasambotry ny zandary ao amin’ny Vondron-tobim-pileovana Atsinanana, ny talata 6 mey teo. Nitrangana halatra tariby teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, PK 322, tamin’ny 25 avrily lasa teo. Nalain’ny olon-dratsy avokoa ny taribin-jiro miasa amin’ny fokontany Antanambiriky, Antananambo, hatrany Melville. Nahatratra 1 020 metatra ny refin’ny tariby azon’ireo mpandroba. Niroso tamin’ny fikarohana ny nahavanon-doza ny tomponandraikitry ny filaminana miasa ao an-toerana. Naharay loharanom-baovao momba ny mpangalatra izy ireo. Nosamborina tany amin’ny trano fonenany, tao Tsararivotra Toamasina, ny lehilahy iray. Natao vela-pandrika tao Marovato Ambalamanasy ny namany. Ankoatra ireo, efa-dahy mpiray tendro tamin’izy roa lahy, sarona tao Ampasimbola. Niaiky heloka izy enina mirahalahy rehefa nataon’ny zandary fanadihadiana lalina. Voamarina, nandritra izany, tompon’antoka tamin’ny fangalarana solika ao amin’ny “Pylône” Fiadanana Sarimasina ireto olona voasambotra ireto. Nahatrarana gazoala halatra dimy zerikanina amin’ilay 20 litatra izy ireo. Hatolotra tsy ho ela ny fampanoavana ireto farany.
Tsiferana R.