Tranga iray anisan’ny mahavariana eo amin’ny tontolon’ny hira malagasy. Manana mpamoron-kira maro i Madagasikara. Saingy, sahirana vao mahasarika mpihaino ny kalon’Imerina iray, raha amin’izao vanim-potoana izao.
Na ireo heverina fa mpanakanto sangany aza, manontany tena. Tsy tian’ny mpijery fampisehoana, loatra, ny hira vaovao raha oharina amin’ireo voaforona teo aloha. Ireo mpamorona sy tarika miangaly ny kalon’ Imerina no tena mahatsikaritra io tranga io. Manana mpamoron-kira izy ireny, saingy, toa tsy mitovy amin’ny fitiavan’ny olona ny sanganasan’ireo mpamorona teo aloha, ny sanganasa vitany.
Tsy voatery ho hira noforonina tany amin’ny taona 1953, 1960, 1970, 1975 mantsy vao azo sokajiana ao anatin’ny kalon’Imerina. Raha vanim-potoana, marina io fomba filaza io. Fa raha firafitry ny hira, kosa, tsy ampy hamaritana ny kalon’Imerina ny fotoana. Manana ny firafitra mazava ny kalon’Imerina. Na manaja fatratra azy ireny aza ny mpamorona ankehitriny, toy ny voaforona teo aloha hatrany no tsy afaka eny am-bavan’ny olona.
Isaky ny mifankahita na tafavory noho ny antony samihafa ny mpianakavy. Manakoako ny «Mifankatiava ihany », «Inona moa no ifandrafirafiana?». Misy ny fanateram-bodiondry, misoko mangina ny «Tsy amidy ny angola», «Ndrematoa ô», «Ndeha hilazao i Dada sy Neny», Tonga ny fetin’ny reny, raikitra ny «Ry Neny ô, ry Neny tiako»…
Io tranga io no mety nampitombo fatratra ny isan’ny mpihira na ny tarika mamerina ny kalon’Imerina. Tsy kamo mamorona kalon’Imerina ny ankehitriny fa mora sy azo antoka kokoa, ho azy ireo, ny mamerina ny teo aloha, satria, efa tafapetraka any amin’ny mpitia kalon’Imerina izy ireny. Fohazina dia taitra. Ny mamerina no misandratra!
… Mila manana fahasahiana manao dingana ny tontolon’ny kalon’Imerina, indrindra fa ny mpamoron-kira ao anatiny. Mamorona, manapariaka sy manazatra ny sofin’ny olona. Mety tsy nifanalavitra tamin’izay no nataon-dry Naka Rabemanantsoa, Justin Rajoro, Ranaivo-Ranarivelo, Ny Nanahary, Ny Railovy, sns.
HaRy Razafindrakoto