«Ligue des champions d’Europe»: Nosakanan’ny Inter de Milan ny lalan’ny FC Barcelone

Lavo ny FC Barcelone, andrarezina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa (Ligue des champions), taranja baolina kitra. Nosakanan’ny Inter de Milan teo amin’ny manasa-dalana ny lalan-dry zalahy. Resin’ny Italianina, ta­min’ny isa 4 no ho 3, nandritra ny lalao miverina notanterahina tao San Siro Milan, ny talata lasa teo.
Niady hatramin’ny farany ny fihaonan’ny roa tonta ary efa tany amin’ny fanalavam-potoana vao tafavoaka ho mpandresy ny Italianina. Ni­ta­rika tamin’ny isa 2 no ho 0 rahateo izy ireo. Baolina nampidirin’i Martinez (21 mn), sy ny “penalty” matin’i Hakan Calhanoglu, tao anatin’ny fa­nampim-potoana 45 + 1 mn. Nihevitra ny rehetra teo fa efa mazava ny lalan’ny Milanais. Fizaram-potoana faharoa, na­nindry ny Espaniola, ka nampihena ny isa ho 2 no ho 1 i Garcia (54 mn). Avy eo nosahalain’i Olmo (60 mn). Mbola nampian’i Raphinha, tany amin’ny 3 mn tsy hiravana ka nitarika tamin’ny isa 3 no ho 2. Tsy ela ny valin-kafatry ny Mi­la­nais. Nosahalain’i Acerbi, 3 no ho 3 (90 + 3 mn). 3 sy 3 toy ny tamin’ny lalao mandroso ny isa ka niditra tamin’ny fanalavam-potoana. Teo no nisongadina ny Ita­liani­na, rehefa na­hafaty ny baolina fahefatra i Frattesi (99 mn). Anisan’ny nanavotra an’i Milan, i Som­mer mpiandry tsatoby. Roa taona aty aoriana, hiatrika famaranana indray ny Inter de Milan.

Tompondaka

Partager sur: