Mahajanga: Manam-pahaizana 15 momba ny implantologie

Nofaranana tamin’ny fizarana diplaoma ho an’ireo dokotera manam-pahaizana manokana momba ny implantologie izay vao nahavita fiofanana ny hetsika natao tany Mahajanga, ho an’ny Institute of Tropical Odontology of Madagascar (IOSTM).
Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny IOSTM sy ny International University of Rabat (UIR) any Maraoka, no nahafahana nanome ny fiofanana ho an’ireo dokotera ireo. Manamarika dingana lehibe amin’ny fampandrosoana ny implantologie momba ny nify eto Madagasikara ny fiofanana azon’ireo dokotera.
Ny IOSTM no hany ivontoeram-piofanana fandidiana nify eto Madagasikara sy eto amin’ny faritry ny Ranomasimbe indianina. Mbola mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fanofanana ireo matihanina amin’ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava.
“Zava-dehibe izao hetsika izao ho an’ny rafi-pahasalamana malagasy”, hoy ny talen’ny Oniversiten’i Mahajanga. Ny talen’ny IOSTM, ny profesora Jeannot Randrianarivony, kosa nanasongadina ny fahombiazan’ity fisondrotana voalohany ity ary nankahery ireo nahazo diplaoma.

Tatiana A

Partager sur: