Tosika ho an’ny fahazoana famatsiam-bola an’ireo orinasa madinika (TPE) ny Tahiry Meso Capital Madagascar. Rafitra napetraky ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (Fivmpama) hanohanana sy hampihodinana ary hampiroboroboana ny fandraharahana eto Madagasikara.
Fepetra takina ao anatin’ny rafitra ny fanarahan-dalàn’ny orinasa iray mba hahafahany misitraka famatsiam-bola avy amin’ireo banky. « Hanampy amin’ ny fanatanterahana izany ny Centre de gestion agrée (CGA). Aorian’izay vao afaka miroso amin’ny fametrahana ny Tahiry Meso Capital Madagascar ny orinasa iray», hoy ny filohan’ny Fivmpama, Rakotondrasanjy Rivo, omaly, tetsy amin’ny Antenimieran’ny varotra sy indostria eto Antananarivo (CCIA). Mifanindry an-dalana ao anatin’ny rafitra ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo TPE handray ny famatsiam-bola. Araka izany, dingana iray ao anatin’ny paikady ataon’ny Fivmpama hanohanana ny orinasa malagasy izay mandrafitra ny 95% ny toekarena ny Meso Capital Madagascar.
Fepetra
Mila mivondrona anatina rafitra iray, « sociétés de projet » (SPV), ireo orinasa misehatra amina famokarana mitovy sy manana filana iraisana. Noho izany, samy tompon’ampahan-drenimbola (co-actionnaire) ao anatin’ny SPV izy ireo ka afaka manatona avy hatrany ireo banky mpamatsy vola rehefa feno ny fepetra takina. Manao antso avo amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, mpamatsy vola, diaspora, banky ho an’ny fampandrosoana, sns, ny filohan’ny Fivmpama hanohanana ny tetikasa. Tanjona ny hamatsiam-bola mitentina 5 tapitrisa euros ireo orinasa madinika. Kendrena ny hahatongavan’izany hatrany amin’ny 20 tapitrisa euros afaka dimy taona.
Hampitombo ny fahafaha-mamokatra sy mamaly ny tinadin’ny tsena eto an-toerana sy any ivelany ary ny famatsiam-bola ny fidirana ao anatin’ny rafitra Meso Capital Madagascar. Hampanara-drafitra ihany koa ny orinasa, hiteraka asa, hampiroborobo ny fahaiza-manaon’ny mpandraharaha ho an’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara izany.
Henintsoa