Niakatra fampanoavana ny 5 sy 6 mey, tetsy anivon’ny Pac 67ha, ireo olona 31 voarohirohy tamin’ilay raharaha fivarotana tanin’olona iray tetsy Ambodivona. Nalefa vonjimaika eny amin’ny fonjaben’Antanimora ny enina tamin’izy ireo. Nahitana lehilahy efatra sy vehivavy roa. Eo ambany fanaraha-mason’ny Pac kosa ny olona valo mianadahy hafa, mandra-piandry ny fitsarana azy ireo. Nametraka fitoriana tetsy anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy ny olona iray tompon’ny tany etsy Ambodivona, ny 28 oktobra 2024 lasa teo. Nisy olona tsy fantatra nivarotra ny taniny ary lafo 300 tapitrisa Ariary izany. Nosokafana ny fanadihadiana ka voasambotra tamin’izany ny tena tompon’antoka. Efa nidoboka am-ponja izy io. Nanaiky namerina ny tany tamin’ny tena tompony ilay olona nividy azy. Nisy nivarotra fanindroany indray anefa ilay tany taty aoriana ary izao niakatra fampanoavana izao. Natao ny fikarohana ary fantatra fa tambajotra goavana amin’ny fangalarana tany no nanao izany. Niakatra teo anivon’ny Pac 67hA ireo olona 31 voarohirohy. Olona efatra hafa mbola karohina.
Mino