Orinasa voalohany eto Madagasikara misehatra amin’ny fikirakirana vola niomerika ny MVola, niorina ny taona 2010. Tao anatin’izay 15 taona izay, efa tafakatra 15 tapitrisa ny olona manana kaonty MVola. Mahatratra 50 000 ny Cash point mikarakara ny fifanakalozam-bola sy 10 000 mpivarotra antsinjarany, miparitaka an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra. Mamaly ny filan’ny mpanjifa tsirairay ny tolotra omena. Tsotra sy azo antoka, ka ny finday ihany no ampiasaina dia vita ny fifanakalozana. Nahatratra 3,5 tapitrisa ny mpanjifa efa nampiasa ny «MVola avance» na fakam-bola mialoha. Maherin’ny 32 tapitrisa ny fanomezana vola mialoha natao. Nihoatra ny 1,1 tapitrisa ireo mitahiry vola na kaonty épargne. Nahazo ny mari-pankatoavana GSMA Mobile Money amin’ny lafiny fifanakalozam-bola amin’ny finday, manome antoka sy toky ity orinasa ity. Amin’ny lafiny sosialy, maherin’ny 200 000 ny olona marefo notohanana ny taona 2024, nitsinjovana ny krizy na koa ho fanampiana niarahana tamin’ny mpiara-miombon’antoka samihafa. Miisa 17 ny kianja ara-panatanjahantena natsangana, ao anatin’ny tetikasa «Mihetsika». Nilaza ny tale jeneralin’ny MVola, i Louis-Olivier Favot, fa « tsy nitsahatra nanitatra ny ambaindainy ny orinasa tao anatin’izay 15 taona izay. niaraka hatrany tamin’ny Malagasy satria nipetraka ny fifampitokisana eo amin’ny roa tonta. Efa zo fototra ho an’ny rehetra ny fisitrahana ny tolotra ara-bola niomerika, ary mbola tohizana izany ».
Njaka A.