Notanterahina teny Ankatso ny famindram-pitantanana teo amin’ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo teo aloha, Pr Ravelomanana Mamy, sy ny filoha vaovao voafidy, Pr Titulaire Randrianasolo Rivoarison. Nankasitraka ny filohan’ny oniversite teo aloha tamin’ireo fampandrosoana vita rehetra ny filoha vaovao. Mandroso hatrany no filamatra, hoy izy, ary hotohizana ny lalana nety sy nahasoa. Tombontsoa ambony sy iombonana no jerena ka tsy hisy fanavahana, hoy izy, tamin’ireo mpiara-miasa ho fampandrosoana ny oniversite.
Oniversite filamatra eto Madagasikara ny oniversiten’ Antananarivo vokatry ny fiaraha-mientan’ny rehetra ka maniry ny hitohizan’izany ny filoha teo aloha ho tombontsoan’ny fampianarana ambony. Nisolo tena ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny sekretera jeneralin’ny minisitera, Pr Salava Julien, nandritra ny ny famindram-pitantanana. Notronin’ireo tomponandraikitra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo sy ireo sojabe ary lehiben’ny sampam-pianarana samihafa, ireo mpampianatra mpikaroka ary ireo mpandraharaha izany famindrm-pahefana izany.
Vonjy