Nampidirina am-ponja eny Tsiafahy ilay teratany Sri-lankais, saika hanondrana volamena tany Dubaï, tratra ny sabotsy teo. Nilanja efatra kilao ny entana sarobidy teny aminy.
Niakatra fampanoavana, omaly, tetsy anivon’ny Pôle anti-corruption (Pac) 67ha ilay teratany Sri-lankais. Voarohirohy nikasa hanondrana antsokosoko volamena milanja 3,885kg ho any Dubaï, ny 03 mey lasa teo. Vokany, nampidirina vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy izy mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy. Niandraikitra ny fanadihadiana azy, mialoha izao fampanoavana izao moa ny sampanasa fitsirihana manokan’ny Fadintseranana.
Tsiahivina fa voasambotra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny sabotsy 3 mey 2025 lasa teo ity voarohirohy ity. Saika hiondrana any Dubaï, tamin’ny alalan’ny zotra Ethiopian Airlines ET 852, izy. Nahitan’ireo mpisava entana zavatra nampiahiahy ny entan’ity farany rehefa nampandalovina “scanner”. Voatery nosokafana sy nosavaina avokoa ny entany rehetra. Nandritra izany no nahitana ireo volamena nafenina tao anaty « rice cooker ». Notsinjarainy tao anaty fonosona efatra ny vovo-bolamena ary nasitriny tao amin’ny sisina « rice cooker » miisa roa. Mbola nofonosina « papier aluminium » izany mba tsy hisy hahita.
Ampangaina nandika lalàna maro
Nandritra ny fanadihadiana notontosain’ny Sampana fitsirihana sy mpanao fanadihadihana eo anivon’ny Fadintseranana, Vesatra maro no hanadihadiana ity voarohirohy ity. Enjehina noho ny fandikan-dalàna mahakasika ny famatsiam-bola sy famatsiana asa fampihorohoroana izy. Eo koa ny fanondranana volamena tsy ara-dalàna. Tsiahivina fa manana anjara toerana manokana ny Fadintseranana. Anisan’izany ny fanaraha-maso ireo fivezivezen’ny entana sy ny mpandeha eny amin’ ny sisintanin’i Madagasikara. Tanjona ny hanamafisana ny ady amin’ny fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary sy sarobidy isan-karazany eto Madagasikara. Mbola mitohy hatrany ny ady amin’ny fanenjehana ireo fanondranana antsokosoko harena sarobidy avy eto Madagasikara.
Mino