Tsy anisan’ireo ekipa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy vehivavy, U17, ny Yfomac. Araka ny fanazavana nataon’izy ireo afakomaly. Maro amin’ireo mpilalaony no tsy maintsy mifantoka tsara amin’ny fianarana, ka voatery nandray fanapahan-kevitra toy izao ny tomponandraikitry ny klioba.
Notanterahina omaly, teny amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), tetsy Isoraka, ny fiofanana mahakasika ny « Licence des Clubs ». Tsiahivina fa ilaina amin’ny fiatrehana ny fifanintsanana « interClubs Caf 2025-2026 », ny hetsika toy izao. Ireo mpiantsehatra amin’ny “World Cola PFL” moa no nisitraka izany.
Hanomboka ny tapak’ity volana mey ity ny fampivondronana ny mpilalaon’ny Ankoay hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny “Afrobasket 2025” hatao any Angola, ny 12 hatramin’ny 24 mey izao. Tsiahivina fa miray vondrona amin’i Ouganda, Rwanda ary i Lybie, i Madagasikara.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny andiany fahatelo amin’ny fifaninanana “Grand prix”, taranja Echecs, nokarakarain’ny CGM. Nahatratra 170 teo
ny mpandray anjara ary nomena vahana kokoa ny
sokajy vehivavy, raha ny nambaran’ny mpikarakara. Niakatra ny isan’ny mpandray anjara tamin’ity andiany fahatelo ity.