Tontolo iainana ambonivohitra : Nitokana fotodrafitrasa lehibe ny minisitera

Nitokana fotodrafitrasa lehibe tany Antsarimasina, kaominina ambanivohir’i Fanandrana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Andonirina Max Fontaine, ny alatsinainy lasa teo. Natao hanodinana fako ho lasa akora hafa azo ampiasaina indray izy io. Hahafahana mandray karazam-pako rehetra hamadihana ireo fako azon’ny olona hampiasaina. Anisan’ izany ny hanaovana “auto bloquant” hanamboaran-dalana, ny ha­naovana zezika sy ny maro hafa.
“Raisin’ny olona ho zavatra maloto na maimbo ny fako teo aloha, ankehitriny efa hiara-dia amin’ny olona izany satria efa azo avadika zavatra hafa”, hoy ny minisitra tomponandraikitra teo aloha. Nam­barany ihany koa fa tsy nandrasana famatsiam-bola vahiny na mpiara-miombon’ antoka ny fanamboarana ity fotodrafitrasa ity. Famatsiam-bolan’ny fitondram-panjakana madiodio no nanaovana izany.
Mirefy 12 hekitara ny velaran-tanin’ny kaominina ambonivohitr’ i Toamasina. Nano­re­nana ny fotodrafitrasa izay manana efitra telo ny 8 000 metatra tora-droa amin’izany. Efa vina hatramin’ny taona 2019 ny hanamboarana ity fotodrafitrasa ity fa saingy izao taona 2025 izao vao tontosa. Tonga nanotrona izany ireo olom-panjakana maro tany Toamasina. Toy ny ben’ny Tanànan’ i Toamasina ambonivohitra, ny talem-paritra atsinanana ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovainjafy, Tezena Leonel.

Sajo

Partager sur: