Mitombo hatrany ny isan’ny mpandray anjara amin’ny « Ultra Trail des Ô Plateaux » (Utop). Hanomboka rahampitso ny andiany faha-16 izay hatao any Mantasoa.
Hanomboka rahampitso, haharitra hatramin’ny 11 mey ny «Ultra Trail des Ô Plateaux» (Utop), andiany faha-16, hatao ao Mantasoa. Mahatratra 2 830 ireo mpandray anjara amin’ity taona ity, isa anisan’ny ambony indrindra hatramin’ny nisian’ny lalao, hatramin’ny taona 2009. «Porofo izao fa liana amin’ny fanatanjahantena ny Malagasy». Io ny fanazavan’ny filohan’ny Utop Madagascar, Andriamanalina Rivo, omaly, teny Ambatobe. Miisa 500 ireo mpandray anjara maimaimpoana ao anatin’ny lalao. Misy ihany koa ny hazakazaka «zaza Trail» natokana ho an’ireo mpianatry ny EPP manodidina an’Ambatobe.
Ankoatra izay, matihanina tanteraka ny Utop 2025, miara-misalahy amin’ny fanatanterahana ny hetsika ireo mpisehatra ara-pahasalamana samihafa, ny mpitandro filaminana. Hanampy sy hanoro lalana an’ireo atleta ireo skoto miisa 50. Handray anjara amin’ny Canal + Ultra Trail, halavirana 136km ny tompondaka maneran-tany ny Trail de Bourbon, Angélique Lesport. Araka izany, miisa 30 ny firenena handray anjara amin’ny lalao ary vahiny manodidina ny 100 no hihazakazaka miaraka amin’ireo Malagasy maro eto an-toerana.
Ankilany, hisy ny hazakazaka vaovao «Scac paratrail» natokana ho an’ireo manana fahasembanana. Mpilatsaka an-tsitrapo miisa 16 hizara amina ekipa roa no hitarika ny sarety misy ireo atleta, handraisany anjara amin’ny Semi-Trail, ny sabotsy, amina halavirana 60km, miainga avy ao Mantasoa hamonjy ny Lycée français de Tananarivo (LFT) Ambatobe. Mitotaly 150 ny amboara hozaraina amin’ireo mendrika indrindra ka andrasana rahampitso manodidina ny amin’ny 8 ora maraina ny laharahana voalohany amin’ny hazakazaka.
Henintsoa