Mitotaly 150 mianadahy ireo mpianatra avy amina Anjerimanontolo nisitraka fiofanana arakasa anatin’ny fandaharanasa Pôle Stage Madagascar (PSM). Voaresaka tao anatin’ny telo andro nanaovana ny hetsika ny kolontsain’ny fandraharahana nandraisan’ireo mpisehatra maro samihafa anjara. Tanjona ny hanamorana ny fitadiavana fiofanana arakasa ho an’ireo tanora ka hananany fahaiza-manao mifanaraka amin’ny filan’ny orinasa.
Nifanakalo hevitra mahakasika ny fanorenana eto an-drenivohitra ny mpikambana ao amin’ny Ordre des architectes malagasy (OAM) sy ny ben’ny Tanàn’ Antananarivo. Voaresaka ny fanavaozana ny fahazoan-dalana manorina trano, ny tetikasa fanajariana ary ny fanomezan-danja ny fokontany. Vonona hiara-miasa amin’ny kaominina ny OAM handrindrana ny fanorenana sy hampanara-penitra ny fanorenana ho tombontsoan’ny besinimaro.