Andrianiaina Miranto: Faniriany efa hatry ny fony kely ilay hilalao sarimihetsika

Vehivavy tanora fantatry ny maro amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy Andria­niaina Miranto. Na­naovana fanadihadiana manokana ny tenany.

Gazety Taratra (*): Oviana ianao no nanomboka nilalao sarimehitsika voalohany?

Miranto (-): Andrianiaina Miranto ny anarako, 22 taona aho amin’izao fotoana izao. Ny taona 2021 aho no nanomboka niditra tamin’ny sehatry ny horonantsarimihetsika, ary tamin’izany aho no feno 18 taona katroka sy afaka fanadinanana Bacc.

* Efa faniriana hatramin’ ny ela ve ilay hoe ho lasa mpilalao sarimihetsika?
Nanao ahoana ny niandohanao?

– Efa hatry ny mbola kely aho no naniry ny hilalao sarimihetsika. Tadidiko izaho, fahiny, tany am-pianarana rehefa mameno ny taratasy momba ahy, nataoko hoe: ho lasa mpilalao sarimihetsika matihanina ny asako any aoriana any. Fehiny, tena tiako ny manao horonantsarimihetsika.
Namako akaiky no nahatonga ahy ho lasa mpilalao sarimihetsika. Tamin’io andro io, tsaroako tsara io fotoana io, hitan-dry zareo fa nety ny zavatra nataoko, ary taorian’izay, noraisin-dry zareo aho ary nisy ny fiofanana izay nataoko ka izao efa lasa milalao sy miezaka manome ny tsara hatrany izao.

* Afaka mitanisa ve ianao ny zavatra mbola tena tsy ampy hitanao raha ny re­saka sarimihetsika no resahina eto Madagasikara?

– Ny zavatra hitako tsy ampy amin’ny sarimihetsika malagasy dia ny resaka fitaovana. Maro ihany koa ny fahasamihafana, indrindra ny eo amin’ny feo. Mbola verezin’ny any ivelany ity lafin-javatra iray ity, saingy itako fa efa miezaka ihany ireo tranom-pamokatra horonantsary eto amintsika.

* Manao ahoana ny fahitanao ny tenanao amin’izao fotoana izao, raha oharina tamin’ilay fiainanan’olon-tsotra teo aloha?

– Misy fahasamihafana be ilay izy, satria, lasa marobe ireo olona mijery sy mandinika ahy ary itako miresadresaka ny momba ahy, tonga dia hita amin’ny fihetsika izy ireo moa izany. Lasa be mpahafantatra ianao, mahafaly ahy moa izany rehetra izany. Lasa hiainako ny fiainan’ireo olo-mala­zan’ny sarimihetsika malagasy zoky teo aloha, sy fantatro laza tamin’izany fotoana izany.

Na izany aza, tohizako hatrany ny fiainana amin’ny maha olon-tsotra ahy. Misy fotoana ireo olona gaga amin’ ny toetrako hoe sariaka sy miresaka tsara aho, fa tsy mitovy amin’ilay toetrako anaty sarimihetsika ny zavatra hataoko amin’ny andavanandro.
Marihiko fa ankoatra ny fanaovako sarimihetsika, ma­nana ny asako ihany koa aho, ary hataoko fangalana traikefa hoentiko miatrika ny fiainako aoriana izany.

* Inona avy ireo fialamboly tena tianao?

-: Ny fialamboly tena tiako, maro ihany. Anisan’izany ny milomano, ny mandehandeha miaraka amin’ny namana, miara-misakafo, mba manala azy hoy ny fitenenana. Tiako ihany koa ny maka sary. Ankoatra io, tiako ny mandeha amin’ny kodiaran-droa “Moto”, ny indrokely nefa, tsy mahay mitondra izany aho. Raha hatao bango tokana, mitovy amin’ny fialambolin’ireo tanora maro ihany ny zavatra tiako.

* Maro ireo tanora tahaka anao, inona no hafatra azo ampitanao ho azy ireo?

– Betsaka mihitsy ireo tanora mitovy amiko, manana nofinofy sy faniriana. Ny hafatra ampitako azy ireny, dia hoe: manana fahatokisana amin’ny tenanao ary minoa hatrany fa tanteraka iny nofinofinao iny. Tsy ilaina ny tahotra ary mahaiza matoky an’ Andriamanitra amin’ny za­vatra rehetra hatao. Manana ihany koa hambo, ary lazao ny tenanao hoe: tsy maintsy vitako ity zavatra ity.

Nanatontosa : Fitia Randria

Tsara ny mampahafantatra fa Andrianiaina Miranto, efa nilalao tamin’ ny horonantsary maro. Anisan’izany, ny “Iloaina”, ny “Sipa”, ny “Tafita”, ny “Miral”. Ny tena hahafan­taran’ny besinimaro azy moa ny ao amin’ny “Nove­gasy”. Antenaina fa nahazoan’ireo tanora malagasy maro lesona ny hafatr’i Miranto, izay nampitany nandritra ity fanadihadiana ity.

Partager sur: