Dinika any Paris momba ny “Iles Eparses”: Hitarika ny delegasionina ny praiminisitra Ntsay Christian

Efa maka bahana. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fanendrena ireo handrafitra ny vaomiera iraisana “Commission mixte”. Hisolo tena an’i Madagasikara hivory momba ny “Iles Eparses” any Paris ny 30 jona ho avy izao izy ireo.

Hifampidinika sy hifampiresaka amin’ny delegasionina Frantsay mom­ba ireo Nosy malagasy “Iles Eparses” izany delegasionina harafitra izany. Nivoitra tao amin’ny filankevitry ny minisitra ny masontsivana hifantenana ireo hifanatrika amin-dry zareo Frantsay amin’izany. Anisan’izany ny fisafidianana manokana ireo handrafitra ny vaomiera avy amin’ny Mala­gasy. Takina ny fananana traikefa amin’ny sehatra marolafy. Eo koa ny fahafehezana ireo didy aman-dalàna, ny lafiny teknika sy ny momba ny siantifika. Hitarika ny delegasionina hifampidinika amin-dry zareo Frantsay ny Praimi­nisitra Ntsay Christian na ny minisitry ny Raharaham-bahiny. Hisy koa ny solontena avy amin’ny eo anivon’ny ministeran’ny Foloalindahy, ny avy amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga ary ny eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd).

Efa nisy fihaonana
Manampy azy ireo ny mpanolotsaina manokana momba ny lalàna sy lafiny stratejika. Nankatoavina koa ny tetiandro mifandraika amin’ireo asa hataon’ny delegasiona hanomanana ny fihaonana handinihina ny momba ireo Nosy manodidina ireo any Paris.
Tsiahivina fa efa nisy ny fihaonana voalohany ny 18 novambra 2019, teo amin’ny vaomieran’ny firenena roa tonta natao teny Andafia­varatra. Tokony ho nitohy tany Paris indray ny fihaonana manaraka ny 2 novambra 2022 saingy tsy tanteraka izany. Andrasana indray, ara­ka izany, ny ho vokatry ny dinika any Paris hatao ny 30 jona ho avy izao.

Synèse R.

Partager sur: