Fambolena sy fiompiana : Fanoitra amin’ny fampandrosoana ny toekarena

Anisan’ireo sehatra miantoka ny fampandrosoana maharitra ny fiompiana sy ny fambolena. Iankinan’ny fampiroboroboana ny toekarena sy manampy amin’ny fahatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo ireo seha-pihariana ireo.

Manana anjara toerana goavana amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, eto Madagasikara. Soa fanararaotra ny fananantsika malagasy 80% misehatra amin’ireo rafi-pihariana ireo hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Manampy tosika sy manohana ireo tantsaha ny Tsenaben’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny vokatra azo avy aminy « Foire de l’élevage et des produits agricole » (FEPA) andiany faha-17 atao eny amin’ny Malagasy Profes­sionnels de l’Elevage (MPE) Nanisana hatramin’ny alahady. « Ilaina ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina hampiroboroboana ny famokarana. Laharam-pahamehana ny fiaraha-miasa amin’izy ireo ho an’ny rafi-panovana ny famokarana », hoy ny sekereteram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo, Razanamahefa Tahian’Ny Avo, omaly, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika. Ho tratra, hoy izy, ny fahaleovan-tena ara-tsakafo rehefa miara-mientana ny rehetra. Manana ny politikam-pampandrosoana hanatanterahana ireo vinanasa samihafa ihany koa ny fitondram-panjakana, hoy hatrany ny fanazavany.

Tosika

Ambohi-pihaonan’ireo mpisehatra manerana ny Nosy ny Fepa, manampy amin’ny fitadiavana lalam-barotra eto an-toerana sy any ivelany izy ary manamafy ny endri-piaraha-miasa samihafa. Ma­nohana tanteraka ny hetsika toy izao ny fitondram-panjakana noho izy mifandraika amin’ny vinam-pirenena. Mbola malalaka ny tsena ho an’ny seha-pamokarana ka tanjona ny hampiroborobo izany eto an-toerana sy hanondranantsika vokatra any ivelany. Ma­nana otrikarena sy akora fototra azo trandrahina tsara i Madagasikara enti-mampiroboro ny toekarena amin’ny alalan’ny fambolena sy ny fiompiana.
Marihina fa lohahevitry ny andiany amin’ity taona ity ny hoe « fiompiana fanoitra amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo sy fampandrosoana ma­ha­ritra ho an’i Mada­gasi­kara ».

Henintsoa

Partager sur: