Manome 1,45 tapitrisa dolara hanohanana ny sehatry ny fanabeazana ny firenena japoney. Mampiasa vola 8,75 tapitrisa dolara fanampiny avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka hanohanana ny fanabeazana eto Madagasikara izy ireo.
Hanampy amin’ny fanatsarana ny fidirana amin’ny fampianarana manara-penitra sy mampiaty ireo famatsiam-bola ireo. Natao hanamafisana ny fanofanana mpampianatra, hanohanana ny fianaran’ny ankizy any an-tsekoly ary indrindra hampihenana ny tsy fitoviana eo amin’ny fanabeazana any amin’ireo faritra tena marefo.
Tanjona ny hanatsarana ny fahafahana miditra amin’ny fampianarana manara-penitra ho an’ny ankizy malagasy, indrindra amin’ny alalan’ny fampivoarana ny fahaiza-manao ho an’ny mpampianatra, ny taranja fanarenana, ary ny ady amin’ny fialana an-daharana.
Amin’izao fotoana, mbola ankizy latsaky ny 1 amin’ny 4 no mahafehy ny kely indrindra amin’ny fahaizana matematika sy ny tenim-pirenena hafa amin’ny ambaratonga voalohany. Ny tsy fahampian’ny fanabeazana ara-kalitao, indrindra amin’ireo toerana alavitrandriana, no mampisy fanavakavahana ary mampisongadina ny tsy fitoviana. Hanarina izany indrindra no ampiasana ireo vola avy amin’ny japoney.
Tatiana A