Nandritra ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny toekarena tany Davos, ny volana janoary lasa teo, voalaza fa hataon’ny milina avokoa ny 80% amin’ny asa momba ny fitantanana amin’ny taona 2030. Mila miomana amin’ny fahaiza-miatrika ny fiovana entin’ny fivoaran’ny teknolojia ny sehatrasa rehetra. Anisan’ny asa ho foana miandalana ny asa atao tanana satria ho voasolon’ny milina
Efa nanomboka ny fiofanana ho an’ireo tanora nisoratra anarana anatin’ny hetsika “Fijery Hafa” ao amin’ ny faritra Atsimo Atsinanana. Ao ny fanaovana mofo sy tsindrin-tsakafo, fanodinana voankazo ary ny kolontsaina ara-barotra. Tanora miisa 200 no efa nandray anjara tamin’ny andiany voalohany ary mbola mitohy ny fiofanana. Anisan’ireo mifanampy amin’ny minisitera amin’ny fanatanterahana ny fampiofanana ny solombavambahoaka voafidy tao Farafangana.
Manohy ny asa fanamboaran-dalana ny faritra Analamanga. Mandeha ny asa na andro na alina ho fampandrosoana ny faritra, na an-dRenivohitra na ny manodidina. Hatao rarivato ny eny Anjomakely mankeny amin’ ny Asecna Ivato. Toraka izany ny eny Ambatolampy Tsimahafotsy. Namboarina koa ny lalana pavé (rarivato) mizotra eny Soavinarivo.
Efa mivoaka eny an-tsena ireo karazan’akanjo mafana vantany vao nivadika mangatsiaka ny andro teto Antananarivo. Lafo ny vidin’izany amin’izao fiandohan’ny hatsiaka izao. Toraka izany ireo kojakoja fitondra amin’ ny andro mamirifiry toy ny satroka, fonon-tanana, fonon-tongotra izay ampiasain’ireo mpitondra moto.