Anjaran’ny faritra Vakinankaratra indray izao no misitraka ny fiofanana mahakasika ireo fehezan-dalàna mifehy ny asa voarakitry ny lalàna lah 2024-014. Paikady entin’ny minisiteran’ny Asa, ny fampanananasa ary ny asam-panjakana ny manatanteraka ny fampahafantarana izay voarakitra ao anatin’izany.
Vaindohan-draharahan’ny fitondrana fiofanana ho an’ireo mpiantsehatra rehetra mampiasa ity lalàna vaovao ity. Solontenan’ny mpiasa mivondrona avy amin’ireo sendika maro isan-karazany no manaraka fiofanana momba ny fehezan-dalàna mifehy ny asa mandritra ny telo andro ao Antsirabe. Hatevenina ny fahalalan’ny mpitarika sendika mba hizaran’izy ireo fahalalana eny anivon’ny mpiasa rehetra.
Raha ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Asa, Ramaroson Cristelle, samy niady hevitra avokoa ny mpiasa sy ny mpampiasa nandritra ny famolavolana ity fehezan-dalàna ity. Lalàna tena tanteraka sy feno no narafitra.
Tsy maintsy misy ny fanofanana mba hitondran’izy ireo fizarana any amin’ny mpiasa avy eo.
Iarahan’ny MTEFoP sy ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny Asa (OIT) ny fanofanana. Mitovy ny tanjona ary samy mikendry ny hisian’ny rariny ara-tsosialy sy hampiroborobo ny asa mendrika eo amin’ny fiarahamonina.
Tatiana A