Maroantsetra : Rongony 30 kg tra-tehaka

Zava-mahadomelina 30 kg saron’ny fokonolona tao Ampitsahantelo, fokontany Soanierana, kaominina Maroantsetra, ny 6 mey teo. Nentina roa lahy tamin’ny sakaosy ireo rongony ireo. Nampiseho fihetsika hafahafa ireo roa lahy rehefa nahatazana olona tamin’ny lalana, tamin’ny 10 ora maraina. Nasaina nijanona hanaovana fanadihadiana izy ireo saingy nandositra. Natsipin’izy ireo avy hatrany ny sakaosy teny aminy. Nitsoaka niala ny tanàna ireto farany. Rongony avokoa no hita tao anatin’ny sakaosy. Nifanampy tamin’ny fanenjehana ireo nanimpy ny kitapo ny fokonolona saingy tsy tratra ireo olon-dratsy. Natolotra ny mpitandro filaminana ny rongony. Mitohy ny fikarohana ireo mpanaparitaka io karazan-java-mahadomelina anisan’ny manimba tanora amin’izao fotoana izao io. Tsiahivina, vao ny 6 mey teo no nahatratra rongony nilanja 1 450 kg ny zandary tao amin’ny distrikan’i Betroka. Rongony nokasaina aparitaka teto an-toerana ireo tra-tehaka ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: