Mihetsiketsika be!

 

Mbola mafampana ny raharaha politika. Mangotran­gotraka kely taorian’ilay raharaha “Patrick Gate”. Ampamoaka nipoapoaka, niafara tamin’ny fanesorana ny lehiben’ny mpanao famotorana teo anivon’ny zandarimaria. Tsy mbola mangina tanteraka akory ilay fanambaran’ny kolonely. Samy mifampitazantazana sy mifampiandriandry ny rehetra.
Tsy maintsy mailo sy malina ny olom-pirenena. Mila mitandrina amin’ny zava-drehetra mba hialana amin’ny vela-pandriky ny mpanakorontana. Na inona hevitra politika hironana, tsy tokony hisy hibirioka amin’ny zavatra tsy manjarizary. Tsy ilaozan’izay olona te hanararaotra sy hikatsaka zava-dratsy ho an’ny tanindrazana sy ny mpiara-belona izany.
Raha ny fitsoakan’ny rivotra misy ankehitriny, mbola hisy ny fiovaovana amin’ny zotra arahin’ny politika eto amin’ny tanàna. Efa mahoraka io ny hisian’izany fakan-kevitra ny vahoaka izany. Ilay fomba hanaovana azy no mbola tsy tena voafaritra mazava hatreto. Ny mpanohitra aloha no efa mahita volana alohan’i Habiby hoe: hisy ny fitsapankevi-bahoaka hono!
Tsy mbola misy anefa ny vaovao ofisialy mahakasika izany. Tsy tokony hisy rahateo ny hilaza ho mahay alohan’ny tompony. Ny ao anaty fitondram-panjakana aza mbola mikombom-bava. Tsy misy mipika mihitsy izany drafitra lazain’ny mpanohitra izany. Ny azo ambara fotsiny, anatin’ny fanavaozana sy ny famerenan-kasina ny antoko TGV, naorin’ny Filoha, ny olon-drehetra.
Mihetsiketsika ny rantsamangaikan’ny antoko any amin’ny faritra. Efa mipoipoitra ny eny ifotony, miezaka ny mamelo-maso ny antoko volomboasary. Manambatra ny hery ka mitady ny very, manangona mpikambana vaovao. Hita taratra ny finiavana hataon’ny mpitarika, hitondra angovo sy fomba fijery hafa. Tanjona ny hanamafisana orina ny ezaka efa natomboka kanefa saika maty momoka.

r.r

Partager sur: