Notanana am-ponja vonjimaika ao Marofoto Mahajanga ny teratany vahiny iray 69 taona, tratra nanaparitaka sary mamoafady, ny 7 mey teo. Voasambotry ny polisy miady amin’ny heloka ana habaka taorian’ny fiaraha-miasan’izy ireo sy ny fikambana “Child Rescue Coalition” any Etazonia, io lehilahy io. Naharay loharanom-baovao ny polisy fa misy olona mivelona amin’ny fivarotana horonantsary mamoafady ao Mahajanga. Teratany vahiny ilay tompon’antoka. Tsy vitan’ny mandika lalàna rahateo fa zaza tsy ampy taona avokoa ny ankamaroan’ireo hita tao anatin’ny horonantsary namidiny. Nanao fikarohana avy hatrany ny polisy. Tratra ilay teratany vahiny. Nosavaina ny trano fonenany. Sarona tamin’izany, ny ordinatera maromaro sy fitaovana fampiasany amin’ny fanatontosana io asa ratsiny io. Niaiky heloka, natolotra ny fampanoavana izy. Nogiazana avokoa ireo entana tra-tehaka. Notazomina vonjimaika any am-ponja ity farany. Marihina, melohin’ny lalàna ary ahazoana sazy henjana ny fanapariahana sary mamoafady indrindra ka ahitana zaza tsy ampy taona.
Tsiferana R.