Sehatra fifanakalozan-kevitra : “Mila mahafehy ny teknolojia sy ny teny anglisy ny tanora”

Omena sehatra hizara ny hetahetany ny tanora momba ireo lohahevitra mahakasika azy mivantana ka hipaka any amin’ny tomponandraikitra mahefa. Olana goavana eto amintsika ny tsy fisian’ny asa mifandraika amin’ny fiana­rana norantovin’ny tanora.

Notontosaina teny amin’ ny Oniversiten’Antana­narivo, omaly, ny famelabelarana arahina adihevitra “Ndao hiresaka fampandrosoana”, voalohany, niarahana tamin’ny mpianatry ny oniversite sy ny tanora karakarain’ny Sampandraharahan’ny Fire­nena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud) sy ny Banky iraisam-pirenena. Ni­ompana amin’ny firotsahan’ny tanora amin’ny tontolon’ny asa hijerena ny zava-misy sy ny vina ary ny fanantenan’izy ireo ny fifampizarana rehetra. Tomponandraikitra dimy samihafa no nitondra ny traikefany ho an’ny tanora momba ny fananganana orinasa, ny fandraisana mpiasa sy ny fiahiana sosialy ny mpiasa ary ny fitantanana orinasa. Nambaran’ny tale jeneralin’ny orinasa Mia­rakap, Emmanuel Cotsoyan­nis, fa tena ilaina ny mamorona asa ho an’ny tanora satria latsaky ny 2% ny mponina ihany (500 000) no manana asa manara-drafitra ho an’ny sehatra tsy miankina. Manomboka amin’ ny sehatra kelikely aloha fa miitatra miandalana avy eo.
Nizara momba ny fandraharahana eto Madagasikara sy ny fivoaran’ny teknolojia maneran-tany manoloana ny asa no nandraisan’ny tanora CEO ny orinasa Akata Goa­vana, Ramiandrisoa Patrick (Bodge) anjara, omaly. Ori­nasa manome tolotra niomerika maro : Développement logiciel, Solution numérique, Desing, Programmation, faharanintan-tsaina artifisialy (IA), Déploie­ment cyber criminalité no tantaniny nandritra ny dimy taona. 30 ny mpiasa ary tanora ny ankamaroany, orinasa vahiny avokoa ny 90% ny mpanjifan’ ny tolotra toy ny any Frantsa, Maorisy, Israel, Canada, Eta­zonia.
Anisan’ny novoaboasany fa noho ny fivoaran’ny teknolojia manerana izao tontolo izao, hisy ny asa hanjavona sy hiforona maro ka mila maharaka izany ny mpianatra amin’ ny oniversite. Ampirisihina ny mpianatra hifehy ny teknolojia vaovao sy ny informatika. Zava-dehibe koa ny teny an­glisy satria ny antontan-kevitra sy ny fiofanana dia amin’ny teny anglisy ny ankamaroany. Mbola malalaka rahateo ny tsenan’ny asa mifototra amin’ ny IA sy ny informatika.

Vonjy

Partager sur: