TARATRY ny KANTO

Mitohy ny atrikasa ho an’ny teatra, isaky ny zoma manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, eny amin’ny Craam Ankatso. Natao ho an’ireo liana ka te hisehatra amin’ny teatra izany, hampitana ny fahatokisan-tena, ny fomba fisehatra rehetra, ny fihetsika eo no ho eo, ny fiainana ny tantara araka ny nanaovan’ny mpanoratra sy ny mpandrindra an-tsehatra azy, ny fisafidianana ny akanjo fisehatra, sns.
Misokatra kokoa ny tsenan’ny mozika ao La Réunion, ho an’ny mpanakanto malagasy. Nohamoraina ny fahazoana “visa” mankany, araka ny adisisika nataon’ ny filoham-pirenena. Mahazo tombony, araka izany, ireo mpanakanto satria anisan’ny firenena ivelan’i Madagasi­kara misy tsenan’ny mozika matetika sy akaiky kokoa i La Réunion. Ankoatra izay, maro rahateo ny Malagasy miasa sy monina any an-toerana.
Mafonja etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Elaela no tsy niaka-tsehatra teto Antananarivo i Mafonja. Fotoana hitondrany ireo mozikany hatramin’izay ka hatramin’ny nivoaka farany indray ny anio, manomboka amin’ ny 8 ora sy sasany alina. Anisan’ireo vao nivoaka farany, ohatra, ny “Efa ela loatra”, maneho ny lokon’ny mozikan’i Mafonja amin’izao fotoana izao.
Robin Kafirah Gasy etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Ny anarana no mety vaovao, fa ny mozikany efa elaela ihany no heno. Manafangaro ny maloya, mozika naka fototra tao La Réunion ka nanambatra izany tamin’ny mozika Malagasy ity mpanakanto ity sy ny tariny. Tsy vitan’izay fa nitrandraka karazana mozika afrikanina maro hafa ihany koa, ka maneho ilay haren’ny fahasamihafana anaty tontolo iray.

Partager sur: