Tao anatin’ny herintaona (teo anelanelan’ny volana marsa 2024 sy ny volana marsa 2025), nisondrotra 8,4% ny vidim-piainana teto Madagasikara, araka ny fanadihadiana ara-toekarena navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Izany hoe, nahitam-piakarany 1,2% izany tao anatin’ny 12 volana. Anisan’ny nisondrotra 12,7% ny vidim-bary, niakatra 4,5% ihany koa ny sehatry ny angovo. Tsinjony sady nohamafisiny tao anatin’ny fanadihadiana ara-toekarena nataony fa hihalafo ny vidim-piainana eto amintsika mandritra ny telo volana voalohan’ny taona 2025. Vokany, mitotongana ny fahefa-mividin’ny isan-tokantrano. Mitotongana ihany koa ny vola malagasy sy ny dolara. Nanomboka ny volana avrily, nanomboka nanafosafo ny 5 000Ar ny sandan’ny euro teo amin’ny tsena fifanakalozam-bola (Marché interbancaire de devise). Omaly, nisanda 5 021,37Ar ny euro iray
Tsy nitsaha-nidina kosa ny dolara nanomboka ny volana febroary 2025. Tamin’io vanim-potoana io, manodidina ny 4 701,81Ar ny dolara ary tafidina hatramin’ny 4 443,27Ar izany, omaly, araka ny tarehimarika navoakan’ny BFM. Miadana ny fihodin’ny toekarena eto Madagasikara, antony mahatonga ny ankamaroan’ny Malagasy miaina anaty fahantrana. Manampy trotraka ny fiakaran’ny vidin-tsolika sy ny haratsian-dalana eto amintsika izay mampiahiahy sahady ireo mpitatitra sy mpandraharaha. Marihina fa mandray anjara amin’ny fiovaovan’ny vidin-tsolika eto amintsika ny sandan’ny dolara. Ny volana marsa teo, vanim-potoana nanafarantsika ny solika ampiasaina ho an’ny volana mey, nidangana ny dolara ka nahatonga ny fiakaran’ny solika mandritra ity volana ity.
Henintsoa