Tondrozotra Task Force Riz : Napetraka ireo paikady

Nozaraina andraikitra mazava ireo sehatra rehetra mandrafitra ny Task Force Riz. Hifandray bebe kokoa amin’ny rehetra ny avy amin’ny foibem-pitondrana misahana ny varotra anatiny (DCI) eo anivon’ny minisiteran’ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny varotra hanamafisana ny andraikitry ny tsirairay mpikambana. Nisongadina ireo nandritra ny fivorian’ireo ankolafy samihafa voakasiky ny raharaham-bary, teny Anosy, omaly. « Fanamby ny handrindrana sy hifehezana ny sehatry ny vary, hitondrana vahaolana maharitra tsy hiverenan’ny fahasahiranana toy ny teo aloha intsony », hoy ny tale jeneralin’ny varotra eo anivon’ny minisitera, Razanakoto Isidore. Politikam-panjakana momba ny vary ny fandrafetana ny tondrozotra enti-manatanteraka ny asa atao rehetra. Voaresaka tao anatin’izany ny didim-panjakana iraisan’ny minisitera sy ireo mpisehatra samihafa mahakasika ny fandaminana ankapobeny ny fanangonana sy fivarotana ny vary akotry vokatra eto an-toerana Natao ireo manoloana ny olana sedraintsika isan-taona mahakasika ny vary.

Henintsoa

Partager sur: