VAOVAO TAMBATRA

Miompana amin’ny fanabeazana, ny fambolena, ny fotodrafitrasa, ny fahasalamana sy ny fitantanana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Mada­gasikara sy ny « Agence française de Développement » (AFD). Ho faritana ny tetiandro sy ny fampianarana ireo fifanarahana. Tanjona ny hampiroboroboana ireo sehatra voalaza etsy ambony ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny firenena malagasy.

Hisitraka fandaharanasa ara-tsosialy ireo vondrom-bahoaka ifotony voakasiky ny tetikasa Base Toliara. Mitentina 4 tapitrisa dolara ary hitombo 2% isan-taona ny famatsiam-bola hanatanterahana ny tamberin’andraikitra (RSE) ny tetikasa. Misy ihany koa ny famatsiam-bola 1 tapitrisa dolara hamatsiana ireo tombontsoan’ny mponina mialoha ny hanombohana ny asa atao.

Mandray anjara amin’ny petrabolan’ny orinasa Neho ny Fonds souverain malagasy (FSM). Mikasa ny hanjifa ny 49% ny petra-bolan’ny orinasa izy ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa Sahofika. Marihina fa vinan’ny fitondram-panjakana ny hanafainganana ny fisitrahan’ny Malagasy angovo madio sy maharitra. Hampakarina ho 80% ihany koa ny taham-pisitrahana herinaratra ho an’ny taona 2030.

Partager sur: