30 taona ny Paositra rapida: Hanome tolotra tsara kalitao nefa mora

Nosokafanana tamin’ny alakamisy ny fankalazana ny faha-30 taona ny Paositra Rapida. Vanim-potoana ha­metrahany ireo fanamby vaovao sy goavana ary tolotra tsara kalitao ho an’ny mpanjifa. «Mivoitra manaraka ny toetrandro ny Paositra Rapida amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia sy ny haitao ara-kajy mirindra hamantaran’ny mpanjifa ny fotoana ahatongavan’ny entany amin’ny sarany mora indrindra», hoy ny tale jeneraly mpisolo toerana ny Paositra Ma­lagasy, Andrianasolo Rija, omaly, teny Ankorondrano. Notsindriany manokana fa hanampy amin’ny fanaraha-maso amin’ny fotoana rehetra ny entana ny fampiasana ny teknolojia niomerika. Anisan’ ireo fanamby apetraka ny fanitarana ny tambazotra sy handrakofana izany manerana ny Nosy. Ankoatra izay, laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fomba fiasa sy ny fifandraisana amin’ireo mpiasa ho an’ ny tombontsoa ny rehetra.
Tsy hitsanga-menatra ma­noloana ireo mpifaninana aminy ny Paositra Rapida. Fila­matra apetraka ny fanomezana tolotra tsara kalitao amin’ny sarany mora indrindra. Mampiavaka ny Paositra Rapida ny fahatongavan’ny entana any amin’ireo faritra lavi-toerana noho ny fananany masoivoho 250 manerana ny Nosy. Azo antoka sy haingana ihany koa ny fandefasana en­tana, nohamafisina ihany koa ny fifandraisany amin’ny mpan­jifa. Marihina fa manampy ireo mpifindra monina amin’ny fitaterana entana izy ary koa mpamatsy fanafody an’ireo « Pharama-gros ».

Henintsoa

Partager sur: