Tanjon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny tsy hisian’ny fahatapahan’ny famatsiana fanafody eny amin’ny tobim-pahasalamana. Izany indrindra no hisian’ny lamina matipaika sy fanaraha-maso tsy tapaka.
Enjehina ireo mpivarotra fanafody tsy ara-dalàna, indrindra eny amin’ny tambajotra sosialy izay toa lasa sehatra miharihary sy bizina mihitsy teo aloha. Nampiana tamin’ny alalan’ny fiofanana nomena ireo manam-pahaizana momba ny fanafody izany hanampy amin’ ny fanaraha-maso akaiky ny fitsinjarana. Efa am-perinasa izy ireo ary manenjika ireo mpivarotra fanafody antsokosoko tokony hozaraina maimaimpoana na mivarotra izany eny amin’ny CSB.
Tsy tokony hisalasala mijoro vavolombelona sy mitoroka raha mahita tranga fivarotam-panafody antsokosoko na takalo tsy ara-dalàna mahakasika izany ny marary na ny mpikarakara marary, raha ny fanentanana nataon’ny minisitera.
Malalaka ny fitondrana fitarainana amin’ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka raha misy tranga mila dinihina.
Sehatra hahazoana fitarainana matetika mihitsy ny momba ny fividianana fanafody sy ny tokony hisitrahana izany maimaimpoana noho ny tsy fahazoan’ny olona ny lamina misy. Eo ny velon-taraina asaina mividy fanafody lafo sy mihoapampana. Filaharambe ny eny amin’ny tobim-pahasalamana kanefa avy eo tsy misy fanafody….
Nanatontosa : Tatiana A