Fahasalamana: Mitentina 19 miliara Ar ny tetibola ividianana fanafody

Nitondra ny tsara ho fantatra momba ny fitantanana fanafody eny amin’ny tobim-pahasalamana sy hopitalim-panjakana ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly.

Tsy mazava amin’ny olona ny fitsinjarana fa­nafody sy ny karazam-panafody sitrahina maimaimpoana, izany indrina no antony nitondrana ny fanazavana. Hatraiza ny fanomezana fanafody maimaimpoana ary kazarana fanafody inona avy izany? Voizina mafy ny fitsaboana maimaimpoana kanefa dia misy ny fanafody vidina.
Nilaza ny tale misahana ny farmasia, laboratoara ary ny fi­tsaboana nentim-paharazana, ny Dr Ravaoarimanana Maxi­mine, fa misy ny fanafody maimaimpoana ary misy ny Fano­me, fa ao koa ny tahiry ho an’ny vonjy aina (fond d’urgence).
Ny Fanome (fandraisana anjara no mba hoentiko). Misy fandraisan’anjara kely amin’ireo karazam-panafody, toy ny eny amin’ny farmasian’ny hopitaly. Misy fandraisan’anjaran’ny fitondram-panjakana ihany koa amin’ny alalan’ny tetibolam-panjakana. Mitentina 19 miliara Ariary no nomen’ny fitondram-panjakana amin’io karazam-panafody Fanome io tamin’ny taon-dasa.
Misy koa ny latsakemboka atao amin’ny alalan’ny fi­vidianana fanafody no hahazoana azy. Izay ilay fanafody Fanome andoavam-bola ary vidiana eny amin’ny farmasia irery ihany fa tsy any amin’ny dokotera na amin’ny toeran-kafa.
Ny fanjakana dia efa ma­nana ny lisitry ny aretina ma­teti-pitranga eny amin’ny CSB. Misy ny fanafody mi­­fandraika amin’izany eny amin’ny toeram-pitsaboana.
Fanafody maimaimpoana zaraina eny amin’ny tobim-pahasalamana koa ny fanafody fandrindrana ny fiainam-piainakaviana, ny fitsaboana ny tsy fahampian-tsakafo, ny TDR fitiliana tazo… Fanafody tsara kalitao ary efa voasedra avokoa ireo ampiasaina eny amin’ny tobim-pahasalamana.

Maimaim-poana

Ho an’ny ady amin’ny ta­zomoka, maimaimpoana ny fitaovam-pisorohana sy ny fi­tsaboana ny marary. Ny fitaovam-pisorohana toy ny lay misy odimoka sy ny famendrahana ranom-panafody any an-tokantrano… Ho an’ny vehivavy bevohoka, izarana maimaimpoana ny fanafody fisorohana amin’ny tazomoka.
Misy koa ny fitiliana maimaimpoana ireo olona mafana hoditra sy ny fanafody fototra maimaimpoana rehefa mararin’ny tazo, toy ny ACT. Ny tsindrona maimaimpoana rehefa mihombo ny aretina. Rehefa tonga amin’ny tranga fahasarotana kosa dia andoavam-bola amin’izay ny fanafody.
Rohim-pamatsiana ny fanafody

Nanazava ny rohim-pama­tsiana ny fanafody ny tale jeneraly misahana ny tolotra ara-pahasalamana, ny Dr Ramarolahy Andriatiaray Rija. Manomboka any amin’ny Salama ny famatsiana izay miantoka ny fahatongavan’ny fanafody eny anivon’ny distrika sy eny amin’ny farmasia sy hopitaly.
Rehefa voavatsy ireo toeram-pivarotana dia azo jifain’ ny marary avy hatrany. Ny eo anivon’ny distrika kosa dia taterina indray any amin’ny CSB eny ifotony. Eny amin’ny CSB no maka ny fanafody ampiasaina eny amin’ny fiarahamonina ireo mpanentana ara-pahasalamana. Misy hatrany ny fanaraha-maso sy lamina apetraka hahafahana misitraka fanafody ara-kalitao sy voafehy mba tsy ho simbasimba fotsiny.

Partager sur: