Fifanarahana Bâle: Dinihina ny akora sy ny fako simika

Nisokatra ny 28 avrily teo, ary mifarana anio 9 mey, any Genève Soisa, ny fihaonamben’ny Fifanarahana iraisam-pirenena na « Conférence des Parties » (COP), andiany faha-17, mahakasika ny Fifanarahana Bâle, Rotterdam ary Stockholm (BRS). Lohahevitra dinihina ny « Fitantanana ara-drariny ny akora simika sy ny fako ». Nodinihina ny fiantraikan’ny akora simika sy ny fako mampidi-doza amin’ny fahasalaman’ny olombelona sy ny tontolo iainana. Satria, matetika tsy tsikaritra eo no ho eo izany na koa tsy misy fomba hamantarana azy avy hatrany. Hamafisina ny fanaraha-maso sy ny fanomezan-danja ny vahaolana azo antoka sady ifanarahan’ny rehetra, entina miady amin’ny fandotoana tsy hita maso nefa manimba ny fahasalamana sy ny tontolo iainana. Misolo tena an’i Madagasikara any an-toerana ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd).
Nankatoavina ny taona 1989 ny Fifanarahana Bâle, mi­kendry ny hampihenana ny fivezivezen’ny fako mampidi-doza avy any amin’ny firenena mandroso mankany amin’ny tany andalam-pandrosoana. Vita sonia ny 1998 ny Fifana­rahana Rotterdam, mamaritra ny dingana arahina amin’ny varotra iraisam-pirenena ny akora sy fanafody simika mampidi-doza. Nankatoavina ny taona 2021 ny Fifanarahana Stockholm, mahakasika ny vokatra simika mandoto ny tontolo iainana sady misy poizina.

Njaka A.

Partager sur: