Tonga eto amintsika ny delegasionina avy amin’ny Oniversite Euromed de Fès (UEMF) avy any Maroc, tarihin’ny professeur Othmane Benmoussa, filoha lefitra misahana ny fikarohana sy ny haivao. Ankoatra ny dinika niarahana tamin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa momba ny fanomezana vatsim-pianarana, hitsidika laboratoara sy ny ivontoeram-pikarohana ary IST miaraka amin’ny Sekoly ambony politeknika izy ireo.
Haharitra hateloana, eo amin’ny zaridaina Antaninarenina, ny « Salon de l’emploi et de la formation des métiers » andiany faharoa. Mandray anjara amin’ity hetsika nokarakarain’ny Blessing Event ity ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, amin’ny maha mpiahy ny hetsika azy. Tanjona ny hanohanana ny tanora amin’ny fanofanana sy fanamafisana fahaiza-manao, indrindra ho an’ireo mitady lalana ho amin’ny asa sy fiofanana. Mandray anjara eny an-toerana ny LTPGCM Mahamasina sy ny LTA Ampefiloha. Anio, ny LTP Alarobia sy LTC Ampefiloha no manohy ny hetsika.