Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fampitana am-bava avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) momba ny fifaninanana fanatsarana ny firafitry ny tanàna sy ny fahadiovana isaky ny faritra. Efa natsidiky ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny herinandro teo, tamin’ny tafa ho an’ny vahoaka malagasy fa ho raikitra ny fifaninanana fanadiovana sy fanatsarana isaky ny renivohi-paritra. “Tanjona ny hampandraisana anjara ireo vondrom-bahoaka intsinjaram-pahefana amin’ny fampandrosoana ifotony”, hoy ny filankevitry ny minisitra. Mifandraika amin’ny hametrahana tanàna madio sy maha te honina ary indrindra hitondrana fampiroboroboana ara-toekarena, ara-sosialy sy ara-tontolo iainana maharitra eny anivon’ny faritra tsirairay izany, araka ny tatitra hatrany. Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny endriky ny tanàna ihany koa ny fanamboarana ireo lalana rehetra eny anivon’ ny faritra.
Hisitraka fankasitrahana sy valisoa ny tanàna mendrika
Notsindrin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra fa handray anjara amin’izany fifaninanana izany avokoa ireo faritra tsirairay misy manerana ny Nosy. Hiaraka hifarimbona mba hahatanteraka ity hetsika iray ity kosa ny eo anivon’ny fiadidiana ny Faritra, tarihin’ny governora sy ireo olom-boafidy sy voatendry. Tafiditra ao anatin’izany koa anefa ny eny anivon’ny sekoly na koa ny avy amin’ny sehatra tsy miankina sy ny mpiasa.
Andraikitry ny filankevitry ny minisitra kosa ny mijery ny tanàna mendrika eo anivon’ny faritra ka hisitraka ny valisoa avy amin’ny fitondram-panjakana.
Synèse R.