“Tena tiako ianao”. 19 taona lasa sahady izay no nivoahan’io hiran’i Mirado io. Herintaona taorian’izay, nisedra voalohany ny sehatry ny CCEsca Antanimena izy. “Nanamarika be ahy io fotoana niakarako an-tsehatra goavana voalohany io. Tsy nisy henoko izay nataoko fa ny horakoraky ny mpankafy nanaraka ny hira no nanenika ny efitrano. Te hamerina indray izay 18 toana lasa izay aho, hifanakaiky amin’ny mpankafy”, hoy ny nambaran’i Mirado, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety tetsy Mahamasina, omaly.
Izay no tena anton’ilay fampisehoana, izay hotontosaina ny 18 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny CCEsca Antanimena. “Mbola velona tsara ny mozikako noho izay fanakaikezana ny mpankafy izay. Homena vahana amin’ireo hira anatin’ny rakikira voalohany sy faharoa”, hoy hatrany i Mirado. Anatin’ny ora roa no kasainy hampiainana indray ireo fahatsiarovana nentin’ireo hirany. Efa tamin’ny taona 2007 ny rakikira voalohany, “Soa fa nisy anao” ary ny taona 2009 ny faharoa, “Sady tiako no tia ahy”. Efa maro ny hira nivoaka taorian’izay, saingy mbola miandry amin’ny fankalazana ny 20 taona an-tsehatra ny vokatra manaraka.
“Back to 2000 and now”, hoy ny fanentanana nataon’ny SR Prod izay mpikarakara. Noho izay fiverenana amin’ny niandohan’i Mirado izay indrindra ny antony, sy hampiainana ireo vokatra vaovao ihany koa. Fantatra ihany koa fa anisan’ireo mpanakanto handray anjara amin’ny “Génération 2000”, izay hokarakarain’ny SR Prod manaraka eo i Mirado.
Zo ny Aina